Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy (Fil. 2, 12-18)

Miasà hahatomombana ny famonjenareo tena; fa Andriamanitra no miasa sy mandavorary izany ao aminareo.

Ry malala, efa nanaiky mandrakariva ianareo,
ka miasà amin-tahotra sy hovitra hahatomombana ny famonjenareo tena,
tsy tahaka ny fony aho tany aminareo fotsiny,
fa mihoatra noho izany aza amin’izao izaho tsy any aminareo izao
fa miasa ao aminareo Andriamanitra
hanananareo fikasana tsara sy hanatanterahanareo izany araka ny faniriany rahateo.
Ataovy tsy amim-pimonjomonjoana sy tsy amim-pisalasalana ny zavatra rehetra,
mba ho madio tsy manan-tsiny, ary zanak’Andriamanitra tsy misy kiany ianareo
eo afovoan’ny karazan’olona ratsy sy mafy fo,
izay amirapiratan’ny tenanareo tahaka ny fahazavana amin’izao tontolo izao,
mitana ny tenin’ny fiainana;
dia hisy ho reharehako amin’ny andron’i Kristy
fa tsy ho nihazakazaka foana aho, na ho nisasatra foana aho.
Ary faly aho na dia ny tenako aza no haidina hampombaina ny fanolorana amam-pisoronan’ny finoanareo,
ka miara-mifaly aminareo rehetra.
Mifalia amin’izany koa ianareo, ary miaraha mifaly amiko.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 26, 1. 4. 13-14

Ny Tompo no fanilo sy vonjiko.

Ny Tompo no fanilo sy vonjiko:
iza no hatahorako?
Ny Tompo no mandan’ny aiko:
zovy no hangovitako?

Fangatahana tsy mahasasatra ahy,
sy tozoiko indrindra, ry Tompo:
dia ny honina ao an-tranon’ny Tompo
amin’ny andro rehetra hiainako.
Mba hankafy ny hatsaran’ny Tompo,
sy hibanjina ny toerany masina.

Eny, matoky aho fa hahita ny hasoan’ny Tompo
any amin’ny tanin’ny velona!
Mahandrasa ny Tompo, marisiha!
Mahereza fo, mahandrasa ny Tompo!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 14, 25-33)

Izay tsy mahafoy izay rehetra ananany dia tsy mendrika ho mpianatro.

Tamin’izany andro izany, nisy vahoaka betsaka niaraka tamin’i Jesoa,
ka nitodika Izy nanao tamin’ireo hoe:

“Raha misy manatona Ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny,
ary ny vadiny sy ny zanany, mbamin’ny rahalahiny sy ny anabaviny
ary na dia ny ainy aza,
dia tsy mety ho mpianatro.
Ary izay tsy mitondra ny hazofijaliany sy tsy manaraka Ahy
dia tsy mety ho mpianatro.
Ka iza tokoa moa aminareo no te-hanao tilikambo
ka tsy mipetraka aloha hitety izay ho laniny,
na hanana ny ampy hamitana azy izy, na tsia,
sao vita ny fototra vao tsy afa-manefa azy izy
ka holatsain’izay rehetra mahita hoe:
‘Mba nanomboka nanao trano ralehilahy io, nefa tsy nahavita tsinona.’
Sa iza no mpanjaka handeha hiady amin’ny mpanjaka hafa,
ka tsy hipetraka aloha hihevitra
na ho azony atao amin’ny miaramila iray alina
ny hikatroka amin’ny fahavalo roa alina avy hamely azy na tsia?
Fa raha tsy hahomby izy,
dieny mbola lavitra ilay mpanjaka anankiray
dia handefa iraka hanao raharaham-pihavanana aminy izy.
Toy izany koa,
na iza na iza aminareo tsy mahafoy izay rehetra ananany
dia tsy mety ho mpianatro.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 20 desambra 2024

  • Hosokafana ny alahady 29 desambra 2024 ny Varavarana Masina ao amin'ny Katedraly Masina Maria tsy azon-keloka, ho fanamarihana ny fanokafana ny fankalazana ny Taon-jobily eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Nanomboka andiany vaovao amin'ny katesizy, mitondra ny lohateny hoe: “I Jesoa Kristy, fanantenantsika”, ny Papa François ny alarobia 18 desambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...