Vakiteny voalohany
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy (Fil. 2, 5-11)
Nilatsa-tenany ho ambany Izy, ka dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra.
Ry kristianina havana,
manàna izao saina amam-po hita tao amin’i Kristy Jesoa izao:
na dia tao amin’ny fomban’Andriamanitra aza Izy,
dia tsy nihevitra ny fitoviany saranga amin’Andriamanitra ho zavatra nobaboiny,
fa nialany izany tamin’Izy naka ny fomban’ny mpanompo,
ka tonga mitovy amin’ny olombelona sy hita ho olombelona tamin’ny fisehoany rehetra,
ary nilatsa-tenany ho ambany, nanolo-tena hanaiky hatramin’ny fahafatesana,
dia fahafatesana tamin’ny Hazofijalina.
Ho valin’izany kosa,
dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy,
sy nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra,
mba handohalika amin’ny Anaran’i Jesoa avokoa ny lohalika rehetra,
na ny any an-danitra, na ny ety an-tany, na ny any ambany,
ary mba hanaiky avokoa ny lela rehetra fa i Jesoa Kristy
dia Tompo efa niditra amin’ny voninahitr’Andriamanitra Ray.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo 21, 26b-27. 28-30a. 31-32
Hametsovetso Anao ao am-Piangonana aho, ry Tompo.
Hanala voady anoloan’ny matahotra Azy aho.
Ny ory hihinana ka ho voky;
ireo mitady ny Tompo hidera Azy.
Veloma ny ainareo mandrakizay mandrakizay.
Ny faran’ny tany hahatsiaro,
ka hiverina amin’ny Tompo;
ny fiankohonam-pirenena
hiankohoka eo anoloany avokoa.
Eny, ny Tompo no manjaka!
Izy no mifehy ny firenena!
Ireo rehetra matory amin’ny tany
hiankohoka aminy.
Ny fanahiko hivelona aminy,
ny taranako hanompo Azy.
Ny taranaka izay misandratra hilazalazana ny Tompo;
ny vahoaka vao ho teraka hanambarana ny Fahamarinany.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Hitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy; isaory Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Kristy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 14, 15-24)
Mandehana mankany amin’ny kianja sy ny lalam-ben’ny tanàna, ka tereo ny olona hiditra mba ho feno ny tranoko.
Tamin’izany andro izany,
nony avy nandre ny tenin’i Jesoa ny anankiray tamin’izay niara-nihinana taminy,
dia nanao tamin’i Jesoa hoe:
“Sambatra lahy izay hanana anjara amin’ny fihinanam-be any amin’ny fanjakan’Andriamanitra.”
Fa hoy Izy taminy:
“Nisy lehilahy anankiray nanao fanasana lehibe ka nanasa olona maro.
Nony tonga ny fotoana fisakafoana,
dia naniraka ankizilahy iray izy hanainga ny nasaina hoe:
‘Ndeha ianareo, fa efa vonona ny zavatra rehetra.’
Fa samy niala tsiny izy rehetra.
Hoy ny voalohany taminy:
‘Efa nividy saha aho ka tsy maintsy mandeha hizaha azy;
koa mihanta aminao aho, aoka re tsy ho tsiniko e.’
Hoy kosa ny faharoa:
‘Efa nividy omby folo aho, ka handeha hitsapa azy;
koa mihanta aminao aho, aoka re tsy ho tsiniko.’
Ary hoy koa ny anankiray:
‘Vao nampaka-bady aho ka tsy afa-mankany.’Dia nody ilay ankizilahy ka nilaza izany tamin’ny tompony.
Tezitra tamin’izay ny tompony ka nanao tamin’ny ankizilahiny hoe:
‘Mandehana faingana mankany amin’ny kianja sy ny lalam-ben’ny tanàna,
ka ento mankatý ny mahantra sy ny kilemaina sy ny jamba ary ny mandringa.’
Ary hoy ilay ankizilahy:
‘Tompoko, vita ny nasainao atao, nefa mbola misy fitoerana ihany.’
Dia hoy ny tompo tamin’ilay ankizilahy:
‘Mandehana mankeny amin’ny lalam-be sy ny fefim-boly,
ka tereo ny olona hiditra mba ho feno ny tranoko.
Fa lazaiko aminareo fa tsy hisy hanandrana ny sakafo amin’ireo olona nasaina ireo na dia iray aza.’”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.