Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy (Fil. 2, 1-4)

Fenoy tanteraka ny hafaliako amin’ny firaisanareo saina.

Ry kristianina havana,
raha mba manana famporisihana ao amin’i Kristy koa ianareo,
na manana fanalana alahelo amin’ny fitiavana ihany,
raha mba misy firaisam-po amam-panahy koa amintsika,
ka mba misy fitserana amam-pangorahana ahy ihany aminareo,
dia fenoy tanteraka ny hafaliako amin’ny firaisanareo saina,
ka hiray fitiavana, hiray fo, hiray hevitra,
tsy hanao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana na filan-dera foana,
fa samy hanetry tena sy hanao ny namany ho ambony noho ny tenany avy,
samy tsy hihevitra ny azy ihany, fa ny an’ny namany koa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 130, 1. 2. 3

Tahio amim-piadanana ho eo anilanao ny fanahiko, ry Tompo.

Tompo ô, tsy mba miavona ny foko!
tsy miandranandrana ny masoko!
tsy manenjika zava-baventy aho,
na zavatra ambony tsy sahaza ahy!

Ny fanahiko afa-po ka mamitsaka:
toy ny zaza voky eo am-pofoan-dreniny:
eny, toy ny zaza voky
ny fanahiko ato amiko!

Aoka i Israely
hatoky ny Tompo
hatrizao
ka ho mandrakizay!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao! Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 14, 12-14)

Aza ny sakaizanao no antsoina fa ny mahantra sy ny kilemaina.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ilay loholon’ny Farisianina nanasa Azy hoe:

“Raha manasa olona hisakafo antoandro na hariva ianao,
aza dia ny sakaizanao na ny rahalahinao, na ny havanao na ny mpanan-karena mifanakaiky aminao no asaina,
fandrao asain’ireo koa ianao ka ho voavaliny izay nataonao taminy.
Fa raha manao fanasana ianao,
ny mahantra, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba, no asao:
dia ho sambatra ianao, satria tsy mba manan-kavaly anao ireo;
fa rahefa mby amin’ny fitsanganan’ny olo-marina vao hovaliana ianao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...