Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 3, 2-12)

Nampahafantarina ny zanak’olombelona ilay zava-miafina tao amin’i Kristy ka ny jentily dia tonga iray lova sy iray tena ao aminy.

Ry kristianina havana,
raha mba renareo ihany ny fanambaràna ny fahasoavan’Andriamanitra izay nomena ahy ho anareo,
izany hoe, ny fanambaràna nampahafantatra ahy ny zava-miafina vao nolazaiko tamin’ny teny fohifohy teo.
Ny famakiana izany no hahaizanareo mamantatra ny fahalalako ilay zava-miafina tao amin’i Kristy,
izay tsy mbola nampahafantarina ny zanak’olombelona tamin’ny taranaka tany aloha,
toy ny nanambaràna azy ankehitriny tamin’ny Apôstôliny masina
sy ny mpaminaniny ao amin’ny Fanahy, dia izao:
Ny jentily dia tonga iray lova sy iray tena ary mpiombona ny fampanantenana amin’ny Jody ao amin’i Kristy Jesoa,
noho ny ninoany ny Evanjely,
ary izaho no voatendry ho mpandraharaha amin’izany,
araka ny fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra nomena ahy tamin’ny herin’ny fahefany.
Eny, izaho izay kely indrindra amin’ny olona masina rehetra
no nomena izany fahasoavana izany,
dia ny hitory amin’ny jentily ny herin’i Kristy tsy hita pesimpesenina,
sy ny hanazava amin’ny olona rehetra ny filaharan’ilay hevitra lalina
niafina hatrizay hatrizay tao amin’Andriamanitra mpahary ny zavatra rehetra.
Dia izany no naseho ankehitriny izao tamin’ny alalan’ny Eglizy,
ka tonga fantatr’ireo fifehezana sy fahefana any an-danitra
ny fahaizan’Andriamanitra mamoron-kevitra,
araka ny lahatra nataony hatrizay hatrizay tao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika,
izay ananantsika fahasahiana hanatona an’Andriamanitra amim-pahatokiana
noho ny finoana Azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo: Iz. 12, 24. 4bde. 54

Hanovo rano an-kafaliana ianareo.

Ianao Andriamanitra Ray no vonjiko.
Matoky aho mijoro fa tsy matahotra!
Ny Tompo no hery sy reharehako.
Fa Izy no vonjy sy fialofako.
Avia aty hanovo amin-kafaliana.
Ny vonjin’ny Tompo eo an-doharanony.

Amin’izany andro izany samia manezaka.
Derao Andriamanitra, antsoy ny Anarany.
Torio ny vahoaka ny zava-bitany.
Lazao fa tsy takatra hoe ny Anarany.

Ambony ny Tompo ka dia nasehony.
Lazao an’izany ny vazan-taniny.
Ianao, ry Siôna hitotorebika,
Fa Tompo lehibe Izy sady masina.

Evanjely

Aleloia. Aleioia.

Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ry Tompo ary ampianaro ahy ny fitsaranao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 39-48)

Izay nomena be no hitakiana be.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôliny nanao hoe:

“Fantaro tsara fa raha fantatry ny tompon-trano ny ora hiavian’ny mpangalatra,
dia hiambina izy, fa tsy hamela ny tranony hotamìna.
Koa mivonòna koa ianareo,
fa ho avy amin’izay ora tsy hampoizinareo ny Zanak’Olona.”

Dia hoy i Piera taminy:

“Tompoko, ho anay ihany va no ilazanao izany fanoharana izany,
sa ho an’ny olona rehetra koa?”

Ary hoy ny Tompo:

“Iza moa no mpitandrim-pananana mahatoky sy hendry
izay hotendren’ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy ny anjara variny ara-potoana?
Sambatra izany mpanompo izany raha tratry ny tompony manao tahaka izany raha avy izy.
Lazaiko marina aminareo fa hotendreny ho mpitandrina ny fananany rehetra izy.
Fa raha izany mpanompo izany kosa, manao anakampo hoe:
‘Ela vao ho avy ny tompoko’,
ka amin’izany dia mikapoka ny ankizilahy sy ny ankizivavy izy,
sady mihinana sy misotro ka mamo,
dia ho avy amin’ny andro tsy ampoiziny sy amin’ny ora tsy fantany ny tompon’izany mpanompo izany,
ka hataony rotiky ny kapoka izy, ary homeny anjara any amin’ny mpanompo ratsy.
Izay mpanompo nahalala ny sitrapon’ny tompony ihany nefa tsy niomana,
na tsy nanao araka ny sitrapony, no hokapohina imbetsaka;
fa izay tsy nahalala kosa, na nanao zavatra mendri-pamaizana aza,
dia hokapohina kelikely ihany.
Izay nomena be no hitakiana be, ary izay nanankinana be no hadinina be koa.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 ôktôbra 2024

♦ Nanatanteraka ny fivoriambe ara-potoana faharoa ny Vaomeiran'ny Eveka misahana ny fampanjariana ny Fahamarinana sy ny Fiadanana, ny 15 hatramin'ny 18 ôktôbra 2024. Misy ny hafatra navoaka tamin'izany... ♦ Tanterahana ety amin'ny Maison Don Bosco Ivato ny “CIVAM Formations”, nanomboka ny 19 hatramin'ny 22 ôktôbra 2024... ♦ Nisaotra ireo olona maro taonga niara-nimbom-bavaka tamin'ny fanandratana ho olomasina ireo olontsambatra 14, ny Papa François omaly, talohan'ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...