Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 2, 12-22)

Nampihavaniny sy nakambany isika roa tonta, ho tena iray amin’Andriamanitra.

Ry kristianina havana,
tamin’ny andro tany aloha ianareo, dia tsy nanana an’i Kristy,
voasaraka tamin’ny fikambanan’i Israely;
olon-ko azy tamin’ny fanekem-pampanantenana, tsy nanana fanantenana,
ary tsy nanana an’Andriamanitra teo amin’izao tontolo izao.
Fa ankehitriny kosa, ao amin’i Kristy Jesoa;
ianareo izay lavitra fahiny, dia tongan’ny Ran’i Kristy akaiky.
Fa Izy no fihavanantsika, Izy no nahatonga antsika roa tonta ho iray,
Izy no nandrava ny efitry ny fisarahana amam-pifandrafesana;
tao amin’ny nofony no nanafoanany ny Lalàna be didy amam-pitsipika,
mba hanakambanany antsika roa tonta ho olom-baovao iray ao amin’ny Tenany;
fa nampihavaniny sy nakambany isika roa tonta, ho tena iray amin’Andriamanitra,
noho ny Hazofijaliana izay nandevonany ny fifandrafesana.
Ary tonga Izy nitory fihavanana taminareo izay lavitra,
sy nitory fihavanana tamin’ireo izay akaiky koa,
satria aminy no ahazoantsika roa tonta manatona ny Ray ao amin’ny Fanahy iray ihany.
Koa tsy olon-ko azy na vahiny intsony ary ianareo,
fa mpiray fanjakana amin’ny olo-masina sy isam-pianakavian’Andriamanitra;
ny Apôstôly sy ny Mpaminany no fanorenana nandrafetana anareo,
ary i Kristy Jesoa indrindra no vato fehizoro.
Fa ao aminy no isondrotan’ny rafitra rehetra mirindra tsara,
mba hiforona ho tempoly masina ao amin’ny Tompo ao aminy
no andrafetan’ny Fanahy Masina anareo ho trano onenan’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 84, 9ab-10. 11-12. 13-14

Hihaino izay lazain’ny Tompo aho.

Hihaino izay lazain’ny Tompo aho:
moa Izy tsy hiteny fiadanana ho an’ny olony?
Eny, akaiky an’izay matahotra Azy ny famonjeny
ka honina amin’ny tanintsika ny voninahiny.

Tafahaona ny hatsaram-po sy ny fahamarinana;
mifanoroka ny rariny sy ny fiadanana.
Mitrebona an-tany ny fahamarinana,
mitranga avy eny an-danitra ny rariny.

Ny Tompo manome orana amim-peo avo,
ka ny tanintsika manome ny vokany!
Ny rariny mizotra eo anoloany;
ny fiadanana, eo amin’ny soritry ny diany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 35-38)

Sambatra ireo mpanompo tratry ny tompony miambina raha tonga izy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Aoka ho voaetra ny andilanareo, ary ho voarehitra ny jironareo.
Manaova toy ny olona miandry ny fotoana hiverenan’ny tompony avy any amin’ny fampakaram-bady,
mba hamoha azy miaraka amin’izay raha vantany vao tonga sy mandondòna izy.
Sambatra ireo mpanompo tratry ny tompony miambina raha tonga izy;
lazaiko marina aminareo fa hisikina ny tompony ka hampipetraka azy hihinana,
ary ho avy hampihinana azy.
Na tonga amin’ny fiambenana faharoa izy, na tonga amin’ny fiambenana fahatelo
ka mahatratra azy manao toy izany,
dia sambatra ireo mpanompo ireo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 ôktôbra 2024

♦ Nanatanteraka ny fivoriambe ara-potoana faharoa ny Vaomeiran'ny Eveka misahana ny fampanjariana ny Fahamarinana sy ny Fiadanana, ny 15 hatramin'ny 18 ôktôbra 2024. Misy ny hafatra navoaka tamin'izany... ♦ Tanterahana ety amin'ny Maison Don Bosco Ivato ny “CIVAM Formations”, nanomboka ny 19 hatramin'ny 22 ôktôbra 2024... ♦ Nisaotra ireo olona maro taonga niara-nimbom-bavaka tamin'ny fanandratana ho olomasina ireo olontsambatra 14, ny Papa François omaly, talohan'ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...