Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 2, 18-24)

Ho nofo iray ihany izy roa ireo.

Hoy ny Tompo Andriamanitra:

“Tsy tsara raha irery ny olona; fa hanaovako mpanampy azy mitovy aminy izy”.

Ary ny Tompo Andriamanitra,
izay efa namorona tamin’ny tany ny biby rehetra eny an-tsaha
sy ny vorona rehetra eny amin’ny habakabaka,
dia nampiavy azy hankeo amin’i Adama mba hahitany izay hanononany azy avy,
hitondran’ny zava-manana aina rehetra ny anarana homen’i Adama azy avy.
Dia nomen’i Adama anarana avokoa ny biby fiompy rehetra,
mbamin’ny vorona eny amin’ny habakabaka sy ny biby eny an-tsaha,
nefa tsy hitany izay ho mpanampy an’i Adama mitovy aminy.
Ka nataon’ny Tompo Andriamanitra renoky ny torimaso i Adama, dia natory;
ary nalainy ny taolan-tehezany anankiray, fa nofo no nakombony ho solony.
Ny taolan-tehezana nalain’ny Tompo Andriamanitra tamin’i Adama
dia namoronany vehivavy iray, ka nentiny teo amin’i Adama.
Ary hoy i Adama:

“Amin’izao, ity no taolana avy amin’ny taolako, sy nofo avy amin’ny nofoko.
Hantsoina hoe vehivavy izy (isha),
satria nalaina avy tamin’ny lehilahy (ish)”.

Noho izany, handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy ka hikambana amin’ny vadiny;
ary ho nofo iray ihany izy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 127, 1-2. 3. 4-5. 6

Hitahy antsika anie ny Tompo amin’ny andro rehetra hiainantsika.

Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo,
izay mizotra feizay amin’ny lalany.
Eny, ahazoanao tombontsoa ny asanao:
hasambarana moa ny anao!

Ny vadinao: foto-boaloboka mahavokatra
ao anivon-tranonao;
ny zanakao solofon’ôliva
manodidina ny latabatrao.

Izany tokoa no fitahiana
ny lehilahy matahotra ny Tompo!
Avy ao Siôna anie ny Tompo
hitahy anao hatrany:

hahitanao ny hasambaran’i Jerosalema
amin’ny andro rehetra hiainanao.
Sy hahitanao ny zanaky ny zanakao.
Ho eo amin’i Israely anie ny fiadanana!

Vakiteny faharoa

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 2, 9-11)

Fototra iray ihany no niavian’izy rehetra, na ny manamasina na ny hamasinina.

Ry kristianina havana,
Ilay natao ambany vetivety noho ny Anjely, dia Izy Jesoa,
no hitantsika nosatrohana voninahitra sy fiandrianana noho ny fahafatesana niaretany;
fa noho ny fahasoavan’Andriamanitra dia nanandrana ny fahafatesana
mba hamonjy ny olombelona rehetra Izy.
Fa mendrika an’ilay antony sy fototry ny zavatra rehetra,
izay mitondra zanaka betsaka ho any amin’ny voninahitra,
ny nandavorary ao amin’ny fijaliana Ilay iavian’ny famonjena an’ireo.
Satria fototra iray ihany no niavian’izy rehetra,
na ny manamasina na ny hamasinina,
hany ka tsy mahamenatra Azy ny miantso azy ireo hoe rahalahy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao, Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 2-16)

Aoka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’olombelona.

Tamin’izany andro izany,
nanatona an’i Jesoa ny Farisianina mba haka fanahy Azy ka nanontany hoe:

“Mahazo misao-bady va ny lehilahy?”

Ary izao no navaliny azy ireo:

“Ahoana no nandidian’i Môizy anareo?”

Dia hoy izy:

“Nomen’i Môizy alalana hanao taratasy fisaoram-bady sy hisao-bady ny lehilahy”.

Fa hoy kosa i Jesoa:

“Ny hamafin’ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo.
Fa tamin’ny niandohan’izao tontolo izao,
dia lehilahy iray sy vehivavy iray ihany no nataon’Andriamanitra;
noho izany dia handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin’ny vadiny,
ary ho nofo iray ihany izy roroa;
koa tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany.
Koa aoka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’olombelona”.

Nony mby tao an-trano,
dia nanontany ny amin’izany indray ny mpianany, ka hoy Izy taminy:

“Na iza na iza misaotra ny vadiny ka mampakatra vehivavy hafa,
dia mijangajanga mandika ny lalàm-panambadiana;
ary raha ny vavy koa no misaotra ny lahy ka manambady hafa dia mijangajanga”.

Ary nisy nitondra zazakely maromaro mba hametrahany tanana,
nefa notenenin’ny mpianatra mafy ireo nitondra;
ka tezitra i Jesoa nony nahita izany sady nanao taminy hoe:

“Avelao hanatona Ahy ny zaza, fa aza raranareo,
satria ny toa azy no hanana ny fanjakan’Andriamanitra.
Lazaiko marina aminareo fa na iza na iza
tsy mandray ny fanjakan’ny lanitra tahaka ny zazakely
dia tsy hiditra any”.

Dia nofihininy izy ireo, sy nametrahany tanana, ary notsofiny rano.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 4 ôktôbra 2024

♦ Efa vonona amin'ny fandraisana ny vahiny hanatrika ny fanamasinana Eveka amin'ny 13 ôktôbra 2024, ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Tsy maintsy mitondra ny anjara birikiny, hoy ny Papa François, ireo mpandray anjara amin'ny fihaonana faharoa amin'ny Sinaody, mba ho tanteraka ny hoe Eglizy miara-dia... ♦ Nihaona tamin'i Sadyr Japarov, Filoham-pirenen'i Kirghizistan, ny Papa François ny maraina teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...