Vakiteny voalohany

Boky Ohabolana (Ohab. 30, 5-9)

Aza misy omena ahy na ny fahantrana, na ny harena, fa izay hanina ilaiko no omeo ahy.

Voazaha toetra amin’ny afo avokoa ny tenin’Andriamanitra;
ampinga ho an’izay mialoka aminy izy.
Aza manampy na inona na inona amin’ny teniny;
sao anariny ianao, ka ho hita fa mpandainga.
Zavatra roa no angatahiko aminao,
ka aza dia lavina, dieny mbola tsy maty aho:
Ampanalaviro ahy ny fitaka aman-teny mandainga;
aza misy omena ahy, na ny fahantrana, na ny harena.
Fa izay hanina ilaiko no omeo ahy:
fandrao voky aho dia mandà Anao, ka hanao hoe:
Iza moa ny Tompo?
ary andrao koa mangalatra aho, raha mahantra,
ka hanamavo ny Anaran’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 118, 29 sy 72. 89 sy 101. 104 sy 163

Fanilo ho an’ny tongotro ny Teninao.

Halaviro ahy ny lalan’ny lainga;
ny lalànao no aoka hanenika ahy!
Soa ho ahy ny lalàna avy amin’ny Vavanao,
mihoatra ny volamena sy volafotsy arivoarivo!

Mandrakizay ny teninao, ry Tompo;
eny, mateza toy ny lanitra!
Aviliko tsy hankamin’ny lalan-dratsy ny tongotro,
mba hitandremako ny Teninao!

Ny lahatrao no nahazoako fahalalana:
hany ka halako ny lalam-pitaka rehetra!
Halako sy mahadikidiky ahy ny lainga;
fa ny lalànao no tiako!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa, fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 1-6)

Nirahiny izy ireo hitory ny fanjakan’ny lanitra sy hanasitrana ny marary.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa namory ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy
ka nanome azy hery sy fahefana handroaka ny demony rehetra sy hanasitrana ny aretina.
Ary naniraka azy hitory ny fanjakan’Andriamanitra sy hanasitrana ny marary.
Dia hoy Izy taminy:

“Aza mitondra na inona na inona any amin’izay halehanareo any,
na tehina, na kitapo, na mofo, na vola, ary aza mitondra akanjo roa.
Ary na aiza na aiza trano hidiranareo,
dia itoero mandra-pialanareo amin’izany tanàna izany.
Ary raha misy mandà tsy handray anareo,
dia mialà amin’izany tanàna izany,
ka na ny vovoka amin’ny tongotrareo aza dia ahintsano ho fiampangana azy ireo.”

Dia nandeha nitety vohitra ny mpianatra,
ka nitory ny Evanjely sy nanasitrana hatraiza hatraiza.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàalana] Zoma 27 septambra 2024

♦ Hateloana andro izao no nankalazana ny fetin'i Masindahy Vincent de Paul, ho an'ny Diôsezin'i Tolagnaro, nanomboka ny 25 septambra 2024... ♦ Nandresy ny demony i Kristy ary nanome antsika ny Fanahy Masina, mba handresentsika toa azy koa. Io no hevi-dehibe nifantohan'ny Papa François nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny 25 septambra 2024... ♦ Nanentana ny hisian'ny fiaraha-miasa sy ny firaisan-kinan'ny firenena ny Papa François, tamin'ny Fitsidihana apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-46, nataony tany Luxembourg...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...