Vakiteny voalohany

Boky Fahendrena (Fah. 2, 12. 17-20)

Helohy ho faty amin’ny fahafatesana mahafa-baraka Izy.

Izao no holazain’ny tsy mpino:
Ifanakano ny marina, satria manahirana antsika izy,
manohitra ny fomba fanaontsika, manìny antsika amin’ny fandikana ny lalàna,
ary manome henatra antsika ho tsy mifanara-toetra amin’izay nampianarana antsika.
Aoka hozahantsika raha marina ny filazany,
ary hodinihintsika izay hahazo azy, eo am-pialàna amin’ity fiainana ity.
Satria raha zanak’Andriamanitra ny marina, dia harovan’Andriamanitra izy,
ary hoafahany amin’ny tanan’ny fahavalony.
Ka sedrao amin’ny latsa amam-pijaliana izy hoe,
hahitana izay fandeferany, hitsapana izay faharetany!
Helohy ho faty amin’ny fahafatesana mahafa-baraka izy,
satria araka ny filazany dia hoahìn’Andriamanitra izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 53, 3-4. 5. 6 sy 8

Ny Tompo no Ilay Mpanohana ny fanahiko.

Vonjeo amin’ny Anaranao aho, Andriamanitra!
omeo rariny amin’ny herinao!
Andriamanitra ô, henoy ny talahoko,
mampandria sofina amin’ny teniko.

Mpiavonavona no mitsangan-kamely,
olon-dozabe no mitady ny aina:
izay mba hihevitra an’Andriamanitra
tsy ao an-tsainy velively.

Indro Andriamanitra nanampy ahy
ny Tompo niahy ny fanahiko.
Koa tonga aho hanolotra sorona amin’ny hazavam-ponao.
Eny, ry Tompo, tonga aho hidera ny hasoan’ny Anaranao.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Jakôba Apôstôly (Jak. 3, 16 — 4, 3)

Izay mampihavana dia mamafy ny vokatry ny fahamarinana amin’ny fihavanana.

Ry kristianina havana, izay misy fialonana sy fifampiandaniana,
dia tsy maintsy misy fikorontanana sy izao asa ratsy rehetra izao koa.
Fa ny fahendrena avy any ambony kosa dia madio aloha,
ary koa tia fihavanana, mandefitra, mora toroana, be indrafo amana voka-tsoa,
tsy miangatra, tsy mihatsaravelatsihy.
Ary izay mampihavana dia mamafy ny vokatry ny fahamarinana amin’ny fihavanana.
Avy aiza ny ady amam-pifandirana ao aminareo?
Moa tsy avy amin’ny filàn-dratsinareo izay miady ao anatin’ny nofonareo va?
Mitsiriritra ianareo, nefa tsy mahazo;
mamono sy mialona ianareo, nefa tsy mety manana;
mifanditra sy miady ianareo;
ary ianareo no tsy mahazo, dia satria tsy mangataka ianareo;
mangataka ianareo, fa ratsy fangataka,
dia ny hahazo izay hiaranan’ny filandratsinareo;
ka tsy mahazo ianareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 29-36)

Hatolotra eo an-tanan’ny olombelona ny Zanak’olona... Izay te ho voalohany no ho farany indrindra sy ho mpanompon’ny olona rehetra.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa sy ny mpianany, dia namaky an’i Galilea,
ary tsy tian’i Jesoa ho fantatr’olona izany,
fa nampianatra ny mpianany Izy ary nanao taminy hoe:

“Hatolotra eo an-tanan’ny olombelona ny Zanak’olona,
dia hovonoiny fa hitsangan-ko velona Izy
raha afaka hateloana aorian’ny nahafatesany”.

Tsy fantatr’izy ireo anefa izany teny izany,
sady tsy sahiny nanontaniana Azy koa.
Dia tonga tany Kafarnaôma izy ireo, ary nony mby tao an-trano,
dia nanontany ny mpianany i Jesoa nanao hoe:

“Inona izany niadinareo hevitra tany an-dalana izany?”

Fa tsy niteny tsy nivolana izy ireo,
satria ny amin’izay ho lehibe indrindra amin’izy rehetra no niadiany hevitra teny an-dalana.
Dia nipetraka Izy ary niantso ny roa ambin’ny folo lahy
ka nanao taminy hoe:

“Izay te ho voalohany no ho farany indrindra sy ho mpanompon’ny olona rehetra”.

Ary nandray zaza anankiray Izy, napetrany teo afovoany, sy nofihininy,
ary hoy Izy tamin’ny mpianany hoe:

“Na iza na iza handray anankiray amin’ny zazakely toy itony amin’ny Anarako,
dia handray Ahy, ary izay mandray Ahy dia tsy mandray Ahy,
fa Izay naniraka Ahy”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàalana] Zoma 27 septambra 2024

♦ Hateloana andro izao no nankalazana ny fetin'i Masindahy Vincent de Paul, ho an'ny Diôsezin'i Tolagnaro, nanomboka ny 25 septambra 2024... ♦ Nandresy ny demony i Kristy ary nanome antsika ny Fanahy Masina, mba handresentsika toa azy koa. Io no hevi-dehibe nifantohan'ny Papa François nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny 25 septambra 2024... ♦ Nanentana ny hisian'ny fiaraha-miasa sy ny firaisan-kinan'ny firenena ny Papa François, tamin'ny Fitsidihana apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-46, nataony tany Luxembourg...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...