Vakiteny voalohany

Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ezek. 37, 1-14)

Ry taola-maina, henoy ny tenin’ny Tompo: Hampiakatra anareo avy ao am-pasanareo Aho, ry vahoakako.

Tamin’izany andro izany,
tonga tamiko ny tenin’ny Tompo ka nentin’ny Tompo nivoaka am-panahy aho,
dia napetrany teo amin’ny lemaka feno taolana.
Nentiny nandeha teo akaikin’ireo manodidina azy aho.
Be dia be izy ireo teo an-tampon’ity tany lemaka, sady maina dia maina.
Ary hoy Izy tamiko:

“Ry zanak’olona, mbola ho velona va ireo taolana ireo?”

Ka hoy ny navaliko Azy:

“Ry Tompo Andriamanitra ô, Ianao no mahalala!”

Dia hoy Izy tamiko:

“Aminanio ireo taolana ireo, ka ataovy aminy hoe:
Ry taola-maina, mihainoa ny tenin’ny Tompo!
Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra amin’ireto taolana ireto:
Indro hampiditra fanahy ao aminareo Aho, dia ho velona ianareo.
Hasiako hozatra eo aminareo,
hampaniriako nofo eo aminareo,
hovelarako hoditra eo amboninareo,
ary hasiako fanahy ao aminareo, dia ho velona ianareo,
ka ho fantatrareo fa Tompo Aho.”

Dia naminany araka ny teny azoko aho;
ka nony naminany, dia nisy feo re, dia injany zavatra mitatatata;
dia nifanatona ireo taolana.
Nojereko ka indro fa nisy hozatra ama-nofo naniry teo ambonin’ireo
ary nisy hoditra nivelatra teo ambonin’ireo;
saingy tsy mbola nisy fanahy tao aminy.

Ary hoy Izy tamiko:

“Maminania amin’ny fanahy;
maminania, ry zanak’olona, ka lazao amin’ny fanahy hoe:
Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra:
Avia, ry fanahy avy any amin’ny vazan-tany efatra;
ka tsotsofy ireto olona voavono ireto, ary aoka ho velona izy.”

Dia naminany araka ny nandidiany ahy aho,
ka niditra tamin’ireo ny fanahy, dia velona izy,
sady nitsangana tamin’ny tongony:
tafika lehibe, tena lehibe indrindra.

Hoy ny Tompo tamiko:

“Ry zanak’olona, ireo taolana ireo, dia ny taranak’i Israely rehetra.
Indreo izy ireo manao hoe:
Maina ny taolanay; levona ny fanantenanay, very izahay!
Koa maminania, ary lazao aminy hoe:
Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra:
Indro Aho hanokatra ny fasanareo,
hampiakatra anareo avy ao am-pasanareo, ry vahoakako ô,
ary hitondra anareo ho eo amin’ny tanin’i Israely.
Ary dia ho fantatrareo fa Tompo Aho,
rahefa voasokatro ny fasanareo, ary tafakatra avy ao am-pasanareo ianareo, ry vahoakako.
Hataoko ao anatinareo ny fanahiko, dia ho velona ianareo,
sady homeko fitsaharana eo amin’ny taninareo
ka dia ho fantatrareo fa Izaho Tompo dia milaza sy manatanteraka koa.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 106, 2-3. 4-5. 6-7. 8-9

Derao ny Tompo fa tsara. Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony.

Mandredòna izany ianareo navotan’ny Tompo,
izay teo an-tanan’ny mpampahory
nangoniny avy amin’ny vazan-tany:
atsimo sy avaratra, atsinanana sy andrefana!

Tafasia tany an’efitra aman-tany foana izy ireo,
tsy nahita lalana mihazo tanàna hiatoana;
tratry ny hanoanana sy hetaheta,
nandre harerahana tao anatiny.

Dia nitaraina tamin’ny Tompo fa nijaly:
ka nafahany tamin’ny fahoriany,
nampizoriny tamin’ny lala-mahitsy,
hahatongavana an-tanàna hiatoana.

Aoka izy hisaotra ny Tompo noho ny hatsaram-pony,
sy ny zava-mahagaga vitany ho an’ny olombelona;
fa ny fanahy mangetaheta hetsahiny,
ny fanahy mosarena vokisany soa!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izay mitandrina ny didin’i Kristy no manana ny fitiavana an’Andriamanitra Lavorary ao aminy tokoa.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 22, 34-40)

Tiavo ny Tompo Andriamanitrao; tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.

Tamin’izany andro izany,
ren’ny Farisianina fa nataon’i Jesoa tsy nanan-kalahatra ny Sadoseanina,
dia nivory izy rehetra;
ary ny anankiray izay mpahay lalàna tamin’izy ireo nanontany Azy
mba haka fanahy Azy hoe:

“Ry Mpampianatra ô,
inona no didy lehibe indrindra amin’ny lalàna?”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra,
sy amin’ny fanahinao rehetra, ary amin’ny sainao rehetra.
Izany no didy sady zokiny indrindra no voalohany;
ary ny faharoa izay tahaka ny voalohany ihany dia izao:
Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
Ao amin’izany didy roa izany ny lalàna rehetra sy ny mpaminany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 septambra 2024

♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tomasina, ny sabotsy 14 septambra 2024 i Mgr Herivonjilalaina, izay notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misy ny rafitra vaovao napetraka ho an'ny Diôsezin'Antsirabe, nambara amin'ny fomba ôfisialy izany omaly, nandritra ny famaranana ny fivahinianana masina fanao isan-taona... ♦ Ny hoe mahafantatra an'i Jesoa dia manaiky azy hanova ny fiainantsika, io no votoatin'ny fampianaran'ny Ray masina François, nandritra fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...