Vakiteny voalohany

Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ezek. 2, 8 — 3, 4)

Hano io taratasy io. Dia nohaniko izany, ka mamy ohatra ny tantely izy tao am-bavako.

Hoy ny Tompo tamiko:

“Ary ianao, ry zanak’olona, henoy izao lazaiko aminao izao:
Aza miodina tahaka izany taranaka miodina izany.
Sokafy ny vavanao, ka hano izay omeko anao.”

Dia nojereko, ka indro nisy tanana natsotra nankaty amiko,
ary indro fa nitana horonan-taratasy.
Novelariny teo anoloako io,
ka voasoratra ny tao anatiny sy ny teo ivelany;
ary hira fisaorana amam-pitomaniana sy fitarainana no voasoratra teo.
Hoy Izy tamiko:

“Ry zanak’olona, hano io hitanao eo anoloanao io;
hano io taratasy io, dia mandehana miteny amin’ny taranak’i Israely.”

Nosokafako ny vavako, dia nafahany ahy io taratasy io;
ka hoy Izy tamiko:

“Ry zanak’olona, vokiso ny kibonao,
ary fenoy ity taratasy atolotro anao ity ny tsinainao.”

Dia nohaniko izany, ka mamy hoatra ny tantely izy tao am-bavako.
Ary hoy Izy tamiko:

“Ry zanak’olona, mandehana mankany amin’ny taranak’i Israely,
ary lazao aminy ny teniko.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 118, 14 sy 24. 72 sy 103. 111 sy 131

Endrey, mamin’ny lanilaniko ny didinao.

Ny lalan’ny fanambarànao no ifaliako,
mihoatra noho ny harena rehetra.
Ny fanambarànao no firavoako;
ny fitsipikao no filàko saina.

Soa ho ahy ny lalàna avy amin’ny vavanao,
mihoatra ny volamena sy volafotsy arivoarivo!
Endrey! mamin’ny lanilaniko ny didinao,
ary tsara amin’ny vavako manoatra ny tantely.

Ny fanambarànao no lovako, ry Ilay mandrakizay:
izy no fifalifalian’ny foko!
Misokatra ny vavako: miemponempona aho;
ny baikonao no mahaliana ahy.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy. Isaory Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Kristy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 18, 1-5. 10. 12-14)

Tandremo sao ataonareo tsinontsinona na dia ny anankiray amin’ireny madinika ireny aza.

Tamin’izany andro izany,
nanatona an’i Jesoa ny mpianany ary nanao taminy hoe:

“Iza moa no ambony indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra?”

Dia niantso zazalahy kely anankiray i Jesoa
ka napetrany teo afovoany ary hoy Izy:

“Lazaiko marina aminareo fa raha tsy miova ianareo
ka tsy tonga tahaka ny zazakely,
dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra akory.
Koa amin’izany, na iza na iza hanetry tena tahaka ity zazakely ity,
dia izy no lehibe indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra.
Ary izay handray zazakely anankiray tahaka ity amin’ny Anarako,
dia mandray Ahy koa.
Tandremo sao ataonareo tsinontsinona
na dia ny anankiray amin’ireny madinika ireny aza;
fa lazaiko aminareo fa ny Anjelin’izy ireny any an-danitra
dia mahita lalandava ny tarehin’ny Raiko izay any an-danitra.
Ahoana ny hevitrareo?
Raha misy olona manana ondry zato, ka nania ny anankiray,
moa tsy havelany eny an-tendrombohitra va ny sivy amby sivifolo,
ka handeha hitady ilay nania izy?
Ary raha sendra hitany izy, dia lazaiko marina aminareo
fa iny anankiray iny aza no mahafaly azy noho ny sivy amby sivifolo tsy nania.
Toy izany koa, tsy tian’ny Rainareo izay any an-danitra hisy very
na dia anankiray amin’ireo madinika ireo aza.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 septambra 2024

♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tomasina, ny sabotsy 14 septambra 2024 i Mgr Herivonjilalaina, izay notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misy ny rafitra vaovao napetraka ho an'ny Diôsezin'Antsirabe, nambara amin'ny fomba ôfisialy izany omaly, nandritra ny famaranana ny fivahinianana masina fanao isan-taona... ♦ Ny hoe mahafantatra an'i Jesoa dia manaiky azy hanova ny fiainantsika, io no votoatin'ny fampianaran'ny Ray masina François, nandritra fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...