Vakiteny voalohany

Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ezek. 1, 2-5. 24-28d)

Sarintsarin’ny voninahitr’Andriamanitra ihany izany fahitana izany.

Tamin’ny taona fahatelopolo, volana fahefatra, andro fahadimin’ny volana,
raha teo amin’ireo babo, teo amoron’ny ony Kobara aho,
dia nisokatra ny lanitra, ary nahita fahitana avy amin’Andriamanitra aho.
Tamin’ny andro fahadimin’ny volana, taona fahadimy nahababo an’i Jôasina, mpanjaka, tamin’izay, —
tonga tamin’i Ezekiela, zanak’i Bozi, mpisorona, ny tenin’ny Tompo,
tany amin’ny tany Kaldeanina, amoron’ny ony Kobara,
ary mby teo aminy teo ny tanan’ny Tompo.
Hitako, fa indro, avy any avaratra,
nisy tafio-drivotra sy rahona lehibe aman’afo mivongana,
izay manjopiaka manodidina, ary ao afovoany
dia toa zavatra mitarehi-metaly voatsoboka anaty afo no niseho teo.
Ary hitako teo afovoany, ny endrijava-manana aina efatra,
ka toa izao no fijery azy: miendrika olombelona izy.
Nony mandeha izy ireo, dia reko ny fikapokapoky ny elany,
ka toy ny firohondrohon’ny rano be, tahaka ny feon’ny Tsitoha,
fihahohahom-pitabatabana toy ny re avy amin’ny toby;
nony mijanona izy, dia avelany milefitra ny elany.
Ary nisy naneno re avy ao amin’itsy andohalambo nivelatra teo ambonin’ny lohany:
nony mijanona izy dia navelany hilefitra ny elany.

Eo ambonin’ilay andohalambo nivelatra teo ambonin’ny lohany,
nisy hoatra ny vato safira, mitarehin-tseza fiandrianana;
ary toa nisy hoatra ny endrik’olona teo ambonin’io mitarehin-tseza fiandrianana io.
Tao anatiny sy tao amin’ny manodidina
dia nisy hitako hoatra ny zavatra miendri-metaly, tahaka ny afo no fijery azy,
hatramin’izay niseho ho tahaka ny andilany no ho miakatra;
ary hatramin’izay niseho ho toa andilany no ho midina kosa
dia nisy zavatra hitako, toy ny afo no fijery azy,
ary nisy famirapiratana manodidina azy.
Hoatra ny fijery ny avana eny amin’ny rahona, amin’ny andro misy orana,
no fijery ny famirapiratana manodidina azy.
Toy izany no fijery ny sarin’ny voninahitr’Izy Tompo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 148, 1-2. 11-12ab. 12d-14a. 14bde

Feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Miderà ny Tompo ianareo izay any an-danitra any.
Miderà ny Tompo ianareo rehetra monina any.
Miderà ny Tompo ianareo Anjeliny rehetra.
Miderà ny Tompo ianareo, ry tafiny rehetra.

Ianareo mpanjaka, ianareo vahoaka tsy hita isa.
Ianareo andriana, ianareo mpitsara ny tontolo.
Ianareo zatovo, tsy an-kanavaka eran-tany.
Ianareo ankizy sy ny zokiolona rehetra.

Aoka ireo hidera ny Anara-masin’Izy Tompo.
Fa ny Anara-masiny no avo hany mendri-kaja.
Ka ny fiamboniany
avo noho ny lanitra sy tany.

Ireo mpanompo azy
faly mankalaza sy midera.
Tsy iza izany akory fa ny firenena Israely,
ilay vahoaka tiany, nolalainy hatrany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 17, 21-26)

Hovonoin’izy ireo Izy, nefa hitsangan-ko velona. — Afaka amin’ny hetra ny zanany.

Tamin’izany andro izany,
raha nitety an’i Galilea i Jesoa sy ny mpianany, dia hoy i Jesoa taminy:

“Efa hatolotra eo an-tanan’ny olona ny Zanak’Olona,
ary hovonoina Izy, nefa hitsangana amin’ny andro fahatelo.”

Dia nalahelo mafy izy ireo.

Nony tonga tany Kafarnaôma izy ireo,
dia nanatona an’i Piera ny mpamory ny hetra dragma roa, ka nanao hoe:

“Moa tsy mba mandoa ny dragma roa va ny Mpampianatra anareo?”

Dia hoy i Piera:

“Mandoa Izy.”

Ary raha niditra tao an-trano izy, dia notsenain’i Jesoa nilazany hoe:

“Ahoana ny hevitrao, ry Simôna?
Iza moa no angalan’ny mpanjaka ety an-tany hetra sy hajia,
ny zanany sa ny olon-kafa?”

Hoy i Piera taminy:

“Ny olon-kafa.”

Dia hoy i Jesoa:

“Raha izany àry, dia afaka ny zanany.
Kanefa sao manafintohina azy isika,
ka mandehana manjono any amin’ny ranomasina ianao,
dia raiso ny hazandrano azonao voalohany ka sokafy ny vavany,
fa hahita vola dragma efatra ao ianao, ka alao,
dia aloavy ho Ahy sy ho anao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 septambra 2024

♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tomasina, ny sabotsy 14 septambra 2024 i Mgr Herivonjilalaina, izay notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misy ny rafitra vaovao napetraka ho an'ny Diôsezin'Antsirabe, nambara amin'ny fomba ôfisialy izany omaly, nandritra ny famaranana ny fivahinianana masina fanao isan-taona... ♦ Ny hoe mahafantatra an'i Jesoa dia manaiky azy hanova ny fiainantsika, io no votoatin'ny fampianaran'ny Ray masina François, nandritra fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...