Vakiteny voalohany

Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 19, 4-8)

Noho ny hery azony tamin’izany hanina izany, dia niakatra ny tendrombohitr’Andriamanitra izy.

Tamin’izany andro izany, i Elia nandositra ny hatezeran’i Jezahela
ka nandroso lalana indray andro tany an’efitra;
ary nony mby tany izy, nipetraka teo ambanin’ny kofafambohitra anankiray,
dia nangataka ny ho faty, nanao hoe:

“Aoka izay! Alao amin’izao ny aiko, ry Tompo ô,
fa tsy tsara noho ny razako aho”.

Dia nandry izy, ka natory teo ambanin’ny kofafambohitra.
Fa indro nisy Anjely nanohina azy kosa, nanao taminy hoe:

“Miarena ianao hihinana”,

Nijery izy, ka indro tao amin’izay niondanany,
nisy mofo nendasina tamin’ny vato nohafanaina, sy rano iray tavoara;
ary rehefa nihinana sy nisotro izy, dia nandry indray.
Fa tonga fanindroany indray ilay Anjelin’ny Tompo, nanohina azy,
sy nanao taminy hoe:

“Miarena ianao hihinana, fa lavitra loatra ho anao ny dia halehanao”.

Dia niarina izy, nihinana sy nisotro,
ary nandeha efapolo andro sy efapolo alina,
tamin’ny hery azony tamin’izany hanina izany,
ho any Hôreba tendrombohitr’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 33, 2-3. 4-5. 6-7. 8-9

Ankafizo sy anarano fo, fa mamy ny Tompo.

Izaho misaotra ny Tompo lalandava;
ny fiderana Azy eo am-bavako hatrany.
Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko:
mandrenesa, ry ory, ka mifalia.

Ombay aho mankalaza ny Tompo,
miaraha isika midera ny Anarany.
Izaho nihanta tamin’ny Tompo ka nekeny,
ny tahotro rehetra nalàny tamiko.

Mibanjîna Azy fa ho mirana,
ny henatra tsy hanaloka ny tavanareo;
ity ory velona antso, ka novalian’ny Tompo,
novonjeny tamin’ny ahiahiny rehetra izy.

Ny Anjelin’ny Tompo milasy manodidina
mba hamonjy izay matahotra Azy.
Ankafizo ity hamamin’ny Tompo:
sambatra ny olona mifefy aminy.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 4, 30 — 5, 2)

Mandehana amin’ny fitiavana tahaka an’i Kristy.

Ry kristianina havana,
aza mampalahelo ny Fanahy Masin’Andriamanitra
Izay nanasiana tombo-kase anareo, ho amin’ny andro fanavotana.
Esory aminareo rehefa mety ho lolom-po, fahatezerana,
fahavinirana, fitabatabana, fitenenan-dratsy, ary hasomparana.
Fa aoka ianareo samy halemy fanahy amin’ny namany avy,
ka hifampiantra sy hifamela heloka,
toraka ny namelan’Andriamanitra anareo ao amin’i Kristy.
Koa aoka àry hanahaka an’Andriamanitra, toy ny zanaka malala ianareo.
Ary mandehana amin’ny fitiavana tahaka an’i Kristy,
Izay nanolo-Tena tamin’Andriamanitra noho ny fitiavany antsika,
mba ho sorona amam-panatitra mani-pofona hamonjy antsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 41-52)

Izaho no mofo velona izay nidina avy any an-danitra.

Tamin’izany andro izany,
nimonomonona tamin’i Jesoa ny Jody satria Izy nanao hoe:

“Izaho no mofo velona izay nidina avy any an-danitra”.

Hoy izy ireo:

“Moa tsy i Jesoa zanak’i Jôsefa va ity,
izay fantatsika ny rainy aman-dreniny?
Ka ahoana àry no anaovany hoe:
‘Nidina avy any an-danitra Aho?’”

Fa namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:

“Aza mimonomonona ianareo.
Tsy misy olona mahay manatona Ahy akory
raha tsy taomin’ny Ray izay naniraka Ahy,
ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro.
Voasoratra ao amin’ny Mpaminany hoe:
‘Hampianarin’Andriamanitra izy rehetra’.
Koa izay rehetra nahare tamin’ny Ray ka nianatra taminy no manatona Ahy.
Tsy dia hoe nisy nahita ny Ray akory:
fa Ilay avy amin’Andriamanitra no hany nahita ny Ray.
Lazaiko marina dia marina aminareo:
Izay mino Ahy no manana ny fiainana mandrakizay.
Izaho no Mofon’aina.
Ny razanareo nihinana ny mana tany an’efitra, nefa maty ihany;
tsy toy izany ny Mofo nidina avy any an-danitra,
fa tsy ho faty izay mihinana azy.
Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra:
raha misy mihinana ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay izy,
ary ny Mofo izay homeko dia ny Nofoko ho fiainan’izao tontolo izao”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 septambra 2024

♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tomasina, ny sabotsy 14 septambra 2024 i Mgr Herivonjilalaina, izay notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misy ny rafitra vaovao napetraka ho an'ny Diôsezin'Antsirabe, nambara amin'ny fomba ôfisialy izany omaly, nandritra ny famaranana ny fivahinianana masina fanao isan-taona... ♦ Ny hoe mahafantatra an'i Jesoa dia manaiky azy hanova ny fiainantsika, io no votoatin'ny fampianaran'ny Ray masina François, nandritra fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...