Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 10, 5-7. 13-16)

Mirehareha amin’ny tanana mampandihy azy va ny famaky?

Izao no nolazain’ny Tompo:

“Loza ho an’i Asora, tsorakazon’ny fahatezerako!
fiasan’ny havinirako ny tehina eny an-tanany!
Irahiko izy hamely ny firenena mpankahala fivavahana,
omeko didy izy hamely ny vahoaka mahatezitra Ahy,
dia handroba sy hamabo azy, ary hanosihosy azy, toy ny fotaka eny an-dalambe.
Kanjo tsy izany no heviny, ary tsy izany no heverin’ny fony;
fa ny handringana no hany kendreny, sy hamongotra firenena tsy an-kavitsiana.
Satria izy nanao hoe:
‘Ny nahefako izany dia noho ny herin’ny tanako, sy noho ny fahendreko,
satria mahira-tsaina aho!
Ny faritanin’ny firenena nafindrako, ny hareny nobaboiko,
ary ireo nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany dia nanongana azy aho
toy ny lehilahy mahery fo.
Toy ny fisambotra akany no nisamboran’ny tanako ny haren’ny firenena,
ary toy ny fanangona atody nilaozana no namoriako ny tany rehetra,
ka tsy nisy nikopaka elatra, na nisoka-bava, na mba nikiaka akory!’
Mirehareha amin’ny tanana mampandihy azy va ny famaky,
miavonavona amin’izay mampandeha azy va ny tsofa?
Sa hoe: ny tsorakazo indray va no manetsika izay manainga azy;
sa hoe: ny tehina indray no manangana izay tsy hazo!
Noho izany, ny Tompo, Andriamanitry ny tafika,
haniraka faharerahana hamely ny mpiadiny matanjaka;
ary eo ambanin’ny voninahiny, hisy afo mirehitra,
toy ny afo amin’ny haintrano.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 93, 5-6. 7-8. 9-10. 14-15

Fa ny Tompo tsy hahafoy ny vahoakany.

Ny vahoakanao, ry Tompo, ampahorian’ny olon-dratsy;
ny lovanao, torotoroiny;
ny mpitondratena, ny vahiny vonoiny;
ny kamboty aripany.

Ny Tompo tsy mahita, hoy izy;
ny Andriamanitr’i Jakôba tsy mahatazana!
Mbà mahafantatra, ry vahoaka ketrina!
Rahoviana no hahalala ianareo, ry adala?

Ilay namboly ny sofina va no tsy handre?
Ilay namorona ny maso no tsy hahita?
Ilay Mpananatra ny firenena va no tsy hanadina?
Ilay Mpanoro ny olombelona no tsy hahalala?

Fa ny Tompo tsy hahafoy ny vahoakany,
na handao ny lovany
ka ny olo-marina hahazo ny rariny,
ny mahitsy fo no handresy lahatra.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao Aho, ry Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 25-27)

Nanafina izany zavatra izany tamin’ny hendry Ianao fa nanambara azy tamin’ny tso-po.

Tamin’izany andro izany, niteny i Jesoa nanao hoe:

“Misaotra Anao Aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany,
fa nanafina izany zavatra izany tamin’ny hendry sy be saina Ianao,
ary nanambara azy tamin’ny tso-po kosa.
Eny, misaotra Anao Aho, Raiko, fa izany no sitra-ponao.
Efa nomen’ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra,
ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray;
ary tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka
sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 17 febroary 2025

• Nanentana ny kristianina aty Afrika ny Fiombonan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Afrika sy i Madagasikara, mba hiray hina amin'ny vavaka sy ny fifadian-kanina araka ny fomba amam-panaon'ny tsirairay sy ny fahafahany, ny 3 hatramin'ny 5 marsa 2025... • Notontosaina ny sabotsy 15 sy ny alahady 16 febroary 2025 ny fihaonan'ny Filankevitra Fitondrana ny Vahoakan'Andriamanitra eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... • Mampiely hatsarana sy mampiombona ny vahoaka ny zava-kanto, hoy ny Papa François, tamin'ny fampianarana nataony ho fankalazana ny Jobilin'ny mpanakanto omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...