Vakiteny voalohany

Boky faharoan’ny Tantara (2 Tant. 24, 17-25)

I Zakaria, ilay novonoinareo teo anelanelan’ny tempoly sy ny ôtely.

Nony maty i Jôiadà,
tonga niankohoka teo anatrehan’ny mpanjaka ny lehibe tamin’i Jodà,
ka nihaino azy ireo ny mpanjaka,
dia nandao ny tranon’ny Tompo Andriamanitry ny razany izy ireo,
ary ny aserah mbamin’ny sampy no nomeny voninahitra.
Tratry ny fahatezeran’ny Tompo anefa i Jodà sy i Jerosalema
noho izany fivadihana izany.
Naniraka mpaminany tany amin’izy ireo ny Tompo
hampiverina azy ireo aminy indray,
ka nitsangana ho vavolombelona nanohitra azy ireo ireny, nefa tsy nohenoiny.
Notsindrian’ny fanahin’Andriamanitra i Zakaria, zanak’i Jôiadà mpisorona,
ka nankeo anatrehan’ny vahoaka nilaza taminy hoe:

“Izao no lazain’Andriamanitra:
Ahoana no andikanareo ny didin’ny Tompo,
tsy hahazoanareo fanambinana?
Noho ianareo nahafoy ny Tompo, dia mba hafoiny koa.”

Ka niray tetika hamely an’io izy ireo, ka nitora-bato azy,
dia teo amin’ny kianjan’ny tranon’ny Tompo,
noho ny didin’ny mpanjaka.
Tsy tsaroan’i Jôasa ny fitiavana nataon’i Jôiada rain’i Zakaria taminy,
ka nampamono an’ity zanany izy.
Hoy i Zakaria nony efa ho faty:

“Hijery sy hamaly an’izao anie ny Tompo!”

Nony niherina ny taona,
niakatra hamely an’i Jôasa ny tafiky ny Sirianina
ka dia tonga tany Jodà sy Jerosalema izy.
Namono ny lehibe rehetra teo amin’ny vahoaka izy ireo,
sy nampitondra ny babo azony rehetra ho any amin’ny mpanjakan’i Damasa.
Miaramila vitsy no teo amin’ny tafiky ny Sirianina,
nefa miaramila maro be no natolotry ny Tompo ho eo an-tanany
satria izy ireo nahafoy ny Tompo Andriamanitry ny razany.
Nanefa ny fitsarana namely an’i Jôasa ny Sirianina.
Nony nilaozan’ireny, ka efa feno ratra maro izy,
dia nanaovan’ny mpanompony teti-be hasiana,
noho ny amin’ny ran’ny zanak’i Jôiadà mpisorona,
ka novonoiny teo am-pandriany, dia maty.
Nalevina tao an-tanànan’i Davida izy,
nefa tsy natao tao amin’ny fasan’ny mpanjaka.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 88, 4-5. 29-30. 31-32. 33-34

Hotanako aminy mandrakizay ny hatsaram-poko.

Nanao fanekena tamin’ilay voafidiko Aho;
nianiana tamin’i Davida mpanompoko:
Ajoroko ho mandrakizay, hoy Aho, ny taranakao,
aoriko ho lalandava ny Fiketrahanao!

Hotanako aminy mandrakizay ny hatsaram-poko,
ho azony antoka ny fanekeko!
Hapetrako eo am-piketrahany ny taranany,
ho toy ny andron’ny lanitra ny fitoeram-piandrianany.

Raha mandao ny Lalàko ireo zanany,
raha tsy manaraka ny satako,
fa manazimba ny fitsipiko,
sy tsy mitandrina ny baikoko,

Dia ho sazìko amin-tsora-kazo ny hadisoan’ireny,
sy amin-kapoka ny helony.
Fa izy tsy hanesorako ny hatsaram-poko.
Tsia, tsy hofoanako ny Teny napetrako.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 24-34)

Aza manahy ny ho ampitso ianareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Tsy misy olona mahay manompo tompo roa,
fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany,
na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hoesoiny.
Koa tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny vola ianareo.
Noho izany, izao no ataoko aminareo:
Aza manahy foana ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo na hosotroinareo,
na ny amin’ny tenanareo, dia izay hotafinareo.
Moa tsy ny aina no ambony noho ny hanina,
ary ny tena noho ny fitafiana?
Jereo ny voro-manidina,
fa tsy mba mamafy na mijinja, na manangona an-tsopitra ireny,
fa ny Rainareo izay any an-danitra no mamelona azy;
ka moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo?
Ary iza aminareo, na dia manahy aza,
no mahay manalava ny tenany na dia iray hakiho ihany aza?
Ary ahoana no anahianareo ny amin’ny fitafiana?
Zahao ny fanirin’ny lisy any an-tsaha, fa tsy mba miasa, na mamoly ireny;
kanefa lazaiko aminareo fa na dia i Salômôna teo amin’ny voninahiny rehetra aza
dia tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin’izy ireny.
Ka raha toy izany no fanafin’Andriamanitra ny ahitra any an-tsaha
izay eny anio nefa hatsipy any am-patana rahampitso
tsy mihoatra noho izany va no hataony aminareo ry kely finoana?
Noho izany aza manahy ianareo manao hoe:
Inona no hohaninay, na inona no hosotroinay na inona no hotafinay?
Fa ny Jentily no mikatsaka izany rehetra izany;
ary fantatry ny Rainareo izay any an-danitra fa ilainareo izany.
Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany
dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny.
Ary aza manahy ny ho ampitso ianareo, fa ny ampitso hanahy ny azy,
ary ny anio efa ampy ny fahoriana midona aminy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 6 septambra 2024

♦ Manatanteraka fitsidihina eto Madagasikara, ny 4 hatramin'ny 9 septambra 2024, i P. Alfred Maravilla, Mpanolotsaina Jeneraly momba ny Misiona, ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco... ♦ Manentana ny kristianina hivavaka ho an'ny olona tsirairay, mba hihaino ny fitarainan'ny tany, ny Papa François amin'ity volana septambra ity... ♦ Nanomboka androany ny dingana faharoa amin'ny fitsidihina apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-45, ataon'ny Papa François, izay tanterahany any Asie sy Océanie...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...