Vakiteny voalohany

Boky faharoan’ny Mpanjaka (2 Mpanj. 11, 2-4. 9-18. 20)

Nohosoran’ny vahoaka i Jôasa, ary natoany hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka.

Tamin’izany andro izany,
nony hitan’i Atalia renin’i Okôziasa fa maty ny zanany,
dia nitsangana izy ka nandringana ny zanak’andriana rehetra.
Fa i Jôsabà zanakavavin’i Jôrama mpanjaka, sy anabavin’i Okôziasa,
naka an’i Jôasa zanak’i Okôziasa kosa,
sy nanatsoaka azy teo amin’ny zanak’andriana, izay novonoin’ny olona,
ary nametraka azy mbamin’ny mpitaiza azy, tao an’efitra fitoeram-parafara,
ka voaafina tsy hitan’ny mason’i Atalia, ka tsy novonoina izy.
Enin-taona no nieren’izy sy i Jôsabà tao an-tranon’ny Tompo.
Ary i Atalia no nanjaka tamin’izany.
Tamin’ny taona fahafito, i Jôiadà naniraka haka ny tompon-jaton’ny Kariana
sy ny mpihazakazaka ary nasainy hanatona azy ao an-tranon’ny Tompo.
Nanao fanekena tamin’izy ireo izy,
ka nony efa nampianiana azy tao an-tranon’ny Tompo izy,
dia nasehony azy ity zanaky ny mpanjaka.

Notanterahin’ny tompon-jato avokoa ny didy nomen’i Jôiadà mpisorona azy.
Samy naka olom-pehezina avy izy ireo,
na ny milatsaka amin’ny fanompoana amin’ny andro sabata,
na ny miala amin’ny fanompoana amin’ny andro sabata,
dia nankany amin’i Jôiadà mpisorona.
Natolotry ny mpisorona ny tompon-jato ny lefona aman’ampinga izay an’i Davida mpanjaka,
sy nipetraka tao an-tranon’ny Tompo.
Samy nitam-piadiana ny mpihazakazaka dia nilahatra hatramin’ny lafin-trano ao ankavanana,
ka hatramin’ny lafiny havia, akaikin’ny ôtely, sy akaikin’ny trano,
hany ka voahodidiny ny mpanjaka.
Naroson’ny mpisorona ny zanaky ny mpanjaka,
ka nataony teo aminy ny diadema sy ny vavolombelona.
Natsangany ho mpanjaka izy,
ary nohosorany ka sady nitehaka ny olona no niantso hoe:

“Ho ela velona anie ny mpanjaka.”

Nony nandre ny fihahohahon’ny mpihazakazaka sy ny vahoaka i Atalia
dia nankao amin’ny vahoaka izy, ao an-tranon’ny Tompo.
Nijery izy ka inty ny mpanjaka mipetraka eo amin’ny lampihazo araka ny fanao.
Teo anilan’ny mpanjaka ny lehibe sy ny mpitsoka trômpetra,
ary faly ny vahoaka rehetra, ary nitsoka trômpetra ny olona.
Dia nandrovitra ny fitafiany i Atalia, ka niantso hoe:

“Teti-dratsy! Teti-dratsy!”

Tamin’izay i Jôiadà mpisorona nanome didy ny tompon-jato mpifehy ny foloalindahy
ary nilaza taminy hoe:

“Ento izy eo anelanelan’ny laharanareo hivoaka ny trano,
ary vonoy amin’ny sabatra izay manaraka azy na iza na iza.”

Satria ny mpisorona efa nilaza hoe:
Aza vonoina eto an-tranon’ny Tompo izy.
Dia nihataka teo an-daniny roa ny olona,
dia nandeha tamin’ny lalana fidiran-tsoavaly ho ao amin’ny lapan’ny mpanjaka ravehivavy,
ka teo no namonoana azy.

Nampanaovin’i Jôiadà fanekena tamin’ny Tompo sy ny mpanjaka àry ny vahoaka,
ny tsy maintsy hahavahoakan’ny Tompo azy ireo.
Ary nampanaoviny fanekena koa ny mpanjaka sy ny vahoaka.
Ny vahoaka rehetra tamin’ny tany dia niditra tao amin’ny tranon’i Baala ka noravany;
ny ôtely aman-tsary nomontsaniny,
ary i Matàna mpisoron’i Baala novonoiny teo anoloan’ny ôtely.
Ary i Jôiadà mpisorona nametraka mpiambina tao an-tranon’ny Tompo.
Nifaly avokoa ny vahoaka rehetra tamin’ny tany,
nandry fehizay ny tanàna, ary novonoina tamin’ny sabatra tao an-tranon’ny mpanjaka i Atalia.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 131, 11-12. 13-14. 17-18

Ny Tompo nifidy an’i Siôna izay tiany hatao fonenana.

Hoy ny Tompo raha nianiana teo imason’i Davida:
Ho an’izay haterakao ny seza fiandriananao.
Ny taranany aoriana koa handimby azy eo,
raha mitandrina ny didy sy manaja ny fanekena.

Fa ny Tompo dia nifidy an’i Siôna
mba ho Azy;
ka ataony Fitsaharany honenany hatrany.
Fitsaharana maharitra ka tiako lalandava.

Ka hataoko masin-teny sy malaza i Davida.
Hanomanako fanilo ilay Voahosotro hanjaka.
Ary hataoko safo-kenatra izay mety ho fahavalony,
ka hamiratra eo an-kandriny ny satro-boninahiny.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 19-23)

Miharia harena ho anareo any an-danitra.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Aza mihary harena ho anareo ety an-tany
izay misy harafesina sy kalalao manimba,
ary mpangalatra manamy trano sy mangalatra;
fa miharia harena ho anareo any an-danitra
izay tsy misy harafesina na kalalao manimba,
sady tsy misy mpangalatra manamy trano na mangalatra.
Fa izay itoeran’ny harenao no itoeran’ny fonao koa.
Ny maso no jiron’ny tena:
raha tsara ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao rehetra;
fa raha ratsy kosa ny masonao, dia ho maizina avokoa ny tenanao rehetra,
ka raha zary maizina àry ny fahazavana izay eo amin’ny tenanao,
fahamaizinana manao ahoana izany!”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 jona 2024

♦ Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 aogositra 2024, ny JMJ Diôsezy ao Antsirabe andiany fahatelo... ♦ Miisa 504 ireo mpandray anjara avy amin'ny Diôsezin'Antsirabe ho any amin'ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly, hotanterahana ny volana aogositra any Antsiranana... ♦ Nanentana ny mpino, hiantoraka amin'i Kristy tsy amin-tahotra, ny Papa François tamin'ny fampianarany mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...