Vakiteny voalohany

Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 18, 20-39)

Mihainoa ahy, ry Tompo, mba hahafantaran’ity vahoaka ity fa Ianao no Tompo Andriamanitra, ary Ianao ihany no mampiverina ny fon’izy ireo indray.

Tamin’izany andro izany,
dia naniraka nankany amin’i Israely rehetra i Akaba
sy namory ny mpaminany ho any an-tendrombohitra Karmela.
Ary i Elia tamin’izay, dia nanatona ny vahoaka rehetra, ka nanao hoe:

“Mandra-pahoviana no hikolepaka an-daniny roa ianareo?
Raha ny Tompo no Andriamanitra manaraha Azy,
fa raha i Baala kosa, manaraha azy.”

Tsy namaly azy na inona na inona anefa ny vahoaka.
Dia hoy i Elia tamin’ny vahoaka:

“Izaho irery no sisa amin’ny mpaminanin’ny Tompo,
fa misy dimampolo amby efa-jato kosa izy no mpaminanin’i Baala.
Koa aoka homena ombalahy roa izahay,
ka ny iray amin’ny ombalahy hofidiny mba ho azy,
dia horasainy sy hapetrany eo ambony kitay hazo, tsy asiana afo;
ny ombalahy iray kosa, hamboariko sy hapetrako eo ambony kitay hazo tsy asiana afo koa.
Rahefa izany kosa, hiantso ny anaran’andriamanitrareo ianareo;
izaho kosa hiantso ny anaran’ny Tompo.
Ka izay Andriamanitra mamaly amin’ny afo, dia izay no Andriamanitra.”

Namaly avokoa ny vahoaka nanao hoe:

“Tsara izany!”

Dia hoy i Elia tamin’ny mpaminanin’i Baala:

“Fidio ho anareo ny iray amin’ireto ombalahy, ka amboary aloha,
fa ianareo no maro, ary antsoy ny anaran’ny andriamanitrareo,
nefa aza asiana afo.”

Dia nalain’ireo ny ombalahy nomena azy ka namboariny,
dia niantso ny anaran’i Baala izy,
hatramin’ny maraina ka mandra-pitataovovonan’ny andro, nanao hoe:

“Ry Baala ô, valio izahay!”

Nefa tsy nisy nanoina na namaly akory.
Ka nihinjaka teo anoloan’ny ôtely nataony izy ireo.
Nony nitataovovonana ny andro,
nesoesoin’i Elia teo izy ireo, nataony hoe:

“Miantsoa mafy, fa andriamanitra moa izy,
ka sao dia revo mandinika, na varian-javatra, na lasa nivahiny;
matory angamba izy, ka dia hifoha.”

Dia niantso mafy tokoa izy ireo
sady nitetika ny tenany tamin’ny sabatra aman-defona araka ny fanaony,
mandra-piloa-dra ny tenany.
Ary nony efa nitsidika ny andro,
dia naminany izy mandra-pahatongan’ny fotoana fanolorana ny fanatitra.
Nefa tsy nisy nanoina na namaly na nihontsona kely akory.

Izay i Elia vao nanao tamin’ny vahoaka hoe:

“Manatòna ahy ianareo.”

Nony nanatona ny vahoaka,
dia namboariny ny ôtelin’ny Tompo izay efa voarava.
Naka vato roa ambin’ny folo i Elia, araka ny isan’ny fokon’ny zanak’i Jakôba,
ilay niharan’ny tenin’ny Tompo hoe:
Israely no ho anaranao.
Ireo vato ireo no nanaovany ôtely ho an’ny anaran’ny Tompo.

Rahefa izany nasiany hady manodidina ny ôtely
sahabo hahalany voa famafy indroan’ny famarana;
dia nalahany ny kitay hazo, noraisiny ny ombalahy,
ka napetrany teo ambony kitay hazo.
Ary hoy izy:

“Fenoy rano ny siny efatra,
ka aidino amin’ny sorona dorana sy amin’ny kitay hazo.”

Dia hoy izy:

“Ataovy fanindroany indray izany.”

Dia nanao izany fanindroany tokoa ny olona.
Fa hoy indray izy:

“Ataovy fanintelony koa izany.”

Dia nanao izany fanintelony ny olona.
Ka nikorotsaka nanodidina ny ôtely ny rano,
dia nasainy hofenoina rano koa ny hady.

Nony tamin’ny fotoana fanolorana ny fanatitra;
dia nandroso i Elia mpaminany, ka nanao hoe:

“Ry Tompo Andriamanitr’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba ô!
aoka ho fantatra anio fa Andriamanitra amin’i Israely Ianao,
ary izaho dia mpanomponao ka teninao no nanaovako izao zavatra rehetra izao.
Mihainoa ahy, ry Tompo ô, mihainoa ahy!
mba hahafantaran’ity vahoaka ity fa Ianao no Tompo Andriamanitra,
ary Ianao ihany no mampiverina ny fon’izy ireo indray.”

Dia latsaka tamin’izay ny afon’ny Tompo,
ka nandoro ny sorona dorana, ny kitay hazo, ny vato, ny tany,
ary ritrany ny rano tamin’ny hady!
Nony nahita izany ny vahoaka rehetra,
dia niankohoka tamin’ny tany nanao hoe:

“Ny Tompo ihany no Andriamanitra, ny Tompo ihany no Andriamanitra!”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 15, 1-2a. 4. 5. sy 8. 11

Andriamanitra ô, ambeno aho mifefy aminao.

Andriamanitra Tompo ô, ambeno.
F’Ianao re no hany ifefeko.
Hasambarako tokana an-tany.
Ka ireny sampy hamaroina,
tsy hanaovako sorona intsony;
tsy ho tononiko anarana akory.

Ianao re, ry Tompo, no lova,
hany zarako mandrakizay.
Eo alohako foana ny Tompo;
tsy hiala eo ankavanako Izy.

E ny lalan’ny fiainana izao,
dia hatoronao ahy hatrany,
ka mameno hafaliana ny foko.
Ho finaritra mandrakizay,
’zay mitoetra eo ankavananao
hasambarana tsy mety ritra.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 17-19)

Tsy tonga handrava Aho, fa hanatanteraka.

Tamin’izany andro izany, hoy i Jesoa tamin’ny mpianany:

“Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny Lalàna sy ny Mpaminany;
tsy tonga handrava Aho, fa hanatanteraka.
Fa lazaiko aminareo marina tokoa,
fa mandra-pahalevon’ny lanitra sy ny tany,
dia tsy hisy ho foana akory amin’ny Lalàna na dia i iray na tendron-tsoratra iray akory aza,
mandra-pahatanterak’izy rehetra.
Koa amin’izany izay handika ny anankiray amin’ireo didy madinika indrindra ireo,
ka hampianatra ny olona toy izany,
dia ho kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra;
fa izay hanatanteraka sy hampianatra ireo kosa
dia ho lehibe amin’ny fanjakan’ny lanitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàalana] Zoma 27 septambra 2024

♦ Hateloana andro izao no nankalazana ny fetin'i Masindahy Vincent de Paul, ho an'ny Diôsezin'i Tolagnaro, nanomboka ny 25 septambra 2024... ♦ Nandresy ny demony i Kristy ary nanome antsika ny Fanahy Masina, mba handresentsika toa azy koa. Io no hevi-dehibe nifantohan'ny Papa François nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny 25 septambra 2024... ♦ Nanentana ny hisian'ny fiaraha-miasa sy ny firaisan-kinan'ny firenena ny Papa François, tamin'ny Fitsidihana apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-46, nataony tany Luxembourg...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...