Vakiteny voalohany
Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 17, 1-6)
Velona ny Tompo Andriamanitr’i Israely, izay itsanganako eo anatrehany.
Tamin’izany andro izany,
i Elia Tesbita, isan’ny mponina tao Galaada,
nilaza tamin’i Akaba hoe:
“Velona ny Tompo, Andriamanitr’i Israely, izay itsanganako eo anatrehany!
Tsy hisy ando na ranonorana amin’ireto taona ireto raha tsy teniko ihany.”
Dia tonga tamin’i Elia ny tenin’ny Tompo nanao hoe:
“Mialà eto ianao, ka mandehana miantsinanana,
ary miere ao amin’ny ranon-driaka Karita, tandrifin’i Jordany.
Ny rano eo an-dranon-driaka no hisotroanao
ary ny goaika no efa nodidiako hamelona anao any.”
Dia niainga izy ary nanao araka ny tenin’ny Tompo,
ka lasa nonina tao amin’ny ranon-driaka Karita tandrifin’i Jordany.
Nitondran’ny goaika mofo sy hena isa-maraina izy, sy mofo sy hena isan-kariva,
ary nisotro rano teo an-dranon-driaka.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo 120, 1-2. 3-4. 5-6. 7-8
Ny fitahiana ahy dia avy amin’ny Tompo, Ilay nanao ny tany aman-danitra.
Miandra any an-tendrombohitra ny masoko.
Avy aiza àry no ho tonga any izany vonjiko?
Avy any amin’Izy Tompo re ny vonjiko
fa Izy nanao ny tany sy ny lanitra.
Ary Izy tsy hamela anao ho solafaka,
satria tsy sondrian-tory fa miambina.
Tokoa tsy sondrian-tory na rendremana,
fa miambina an’i Israely re ny Tompony.
Ny Tompo miahy anao amin’ny alina;
ny Tompo eo anilanao ka miambina.
Masoandron’ny antoandro tsy afaka hisompatra;
ny volan’ny alina aoka tsy hatahorana.
Tsy voan’ny loza ianao fa ambenany
ho lavitra anao ny rofy sy ny aretina.
Miambina anao mandroso sy miverina.
Ny Tompo no toky ary Izy tsy mivadika.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana; ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 1-12)
Sambatra izay mahantra am-panahy.
Tamin’izany andro izany,
nony nahita ny vahoaka i Jesoa, dia niakatra teo an-tendrombohitra;
ary rahefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany,
ka niloa-bava Izy nampianatra azy, nanao hoe:
“Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny fanjakan’ny lanitra.
Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.
Sambatra izay mitomany, fa halàna alahelo.
Sambatra izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa ho voky izy.
Sambatra ny mamindra fo, fa hamindrana fo izy.
Sambatra ny madio fo, fa hahita an’Andriamanitra izy.
Sambatra ny tia fihavanana, fa hantsoina hoe zanak’Andriamanitra izy.
Sambatra ny miaritra ny fanenjehana noho ny rariny, fa azy ireo ny fanjakan’ny lanitra.
Sambatra ianareo raha tevatevaina sy enjehina ary ampangaina lainga amin’ny ratsy rehetra noho ny amiko:
mifalia sy miravoravoa ianareo fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra,
satria tahaka izany koa no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.