Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pier. 2, 2-5. 9-12)

Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, mpisorona manjaka, firenena masina, vahoaka navotana, mba hitorianareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo.

Ry kristianina havana,
maniria fatratra ny rononom-panahy tsy misy famahony, toy ny zaza vao teraka,
mba hampitomboany anareo amin’ny famonjena, rahefa nandramanareo fa mamy ny Tompo.
Manatòna Azy, izay vato velona nolavin’ny olona ihany tokoa,
nefa voafidy sy sarobidy eo anatrehan’Andriamanitra kosa;
ary ianareo kosa dia mirafeta eo amboniny, toy ny vato velona,
mba hitsangana ho Tempoly fanahy, ho mpisorona masina,
ka hanolotra fanati-panahy ankasitrahan’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.
Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy,
mpisorona manjaka,
firenena masina,
vahoaka navotana,
mba hitorianareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny haizina,
ho amin’ny fahazavany mahagaga:
dia ianareo izay tsy vahoakany akory taloha,
fa efa vahoakan’Izy Andriamanitra kosa ankehitriny,
ary tsy nahazo famindram-po koa taloha,
fa efa nahazo ny famindram-pony kosa ankehitriny.
Ry malala,
mamporisika anareo hifady ny fanirian’ny nofo izay manohitra ny fanahy aho,
noho ny maha-vahiny sy mpivahiny anareo.
Manaova fitondran-tena tsara eo afovoan’ny jentily,
mba hankalazany an’Andriamanitra amin’ny andron’ny famangiana,
rahefa hitany ny asa soa ataonareo,
na dia amin’ny zavatra anaovany anareo ho mpanao ratsy aza.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 99, 2. 3. 4. 5

Tongava anoloan’ny Tompo amin-karavoana.

Hobio Izy Tompo, ry tany tontolo,
ka fo falifaly anompoana ny Tompo.
Tongava eo aminy mihira, miravo.

Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra.
Fa Azy isika satria nohariany.
Sy tena vahoakany, ondry fiandriny.

Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra.
Ny ao an-kianjany, idiro amin-dera.
Derao Izy Tompo: ny Anarany isaory.

Miaiky isika fa tsara ny Tompo.
Fa mandrakizay ny fitiavany antsika.
Amin’ny taona rehetra ny fahamarinany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo, izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 46-52)

Rabony ô, aoka mba hahiratra aho.

Tamin’i Jesoa sy ny mpianany mbamin’ny vahoaka betsaka niala tao Jerikao,
dia nipetraka nangataka teo amoron-dalana i Bartime jamba zanak’i Time.
Nony reny fa hoe i Jesoa Nazareanina izay,
dia rafitra niantso izy nanao hoe:

“Ry Jesoa Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko.”

Ary maro no nandrahona azy mafy mba hampangina azy,
fa vao mainka niantso mafimafy kokoa izy nanao hoe:

“Ry Zanak’i Davida ô, mamindra fo amiko.”

Dia nijanona i Jesoa, ka nampiantso azy.
Ary nantsoin’ny olona izy sy nilazany hoe:

“Matokia! mitsangàna, fa antsoiny ianao.”

Dia nariany ny lambany, ka niezaka nanatona an’i Jesoa izy.
Ary hoy i Jesoa taminy:

“Inona no tianao hataoko aminao?”

Dia hoy ilay jamba:

“Rabony ô, aoka mba hahiratra aho.”

Ary hoy i Jesoa:

“Mandehana, fa ny finoanao no nahavonjy anao.”

Dia nahiratra niaraka tamin’izay izy,
ka nanaraka Azy teny an-dalana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 5 jolay 2024

♦ Tokony tsy hikely aina amin'ny fambolena, ny tantsaha: io no nanentanan'i Mgr Désiré Kardinaly Tsarahazana ny FTMTK tao amin'ny Diôsezin'i Toamasina, tamin'ny fanokafana ny Zaikabe androany... ♦ Mizotra mankany amin'ny fanarenana mandrakariva ny fiainana ary mila apetraka eo amin'Andriamanitra: io no hafatra ho an'ireo mpianatra tao amin'ny Lycée Saint Antoine, izay namarana ny taom-pianarana... ♦ Navoakan'ny Foibe misahana ny fampahalalam-baovao eo anivon'ny Fiketrahana Masina androany, ny fandaharam-potoanan'ny Papa François, mandritra ny fitsidihana apôstôlika hataony any amin'ny faritra Azia sy Oseania...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...