Vakiteny voalohany

Boky Levitika (Lev. 13, 1-2. 45-46)

Hitokana irery any ivelan’ny toby ny marary hoditra.

Tamin’izany andro izany,
ny Tompo niteny tamin’i Môizy nanao hoe:

“Raha mamontsina ny hoditry ny olona anankiray na misy anakandro na miseho hodi-potsy,
ka tonga misy fery toy ny habokàna amin’ny hoditry ny nofony
dia hoentina mankeo amin’i Aarôna mpisorona izy,
na eo amin’ny iray amin’ireo zanany mpisorona.
Izay boka ferena dia hanao fitafiana norovitina,
ny volony harakaràkany, ny volombavany hosaronany,
ary izy hiantsoantso hoe:

‘Maloto e! maloto e!’

Ho maloto izy mandritra ny andro rehetra haharetan’ny feriny.
Maloto izy, ka hitokana irery, any ivelan’ny toby”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 31, 1-2. 5. 11

Ianao no fiereko miaro amin’ny loza; izaho hodidininao hiram-pahafahana.

Sambatra izay voavela heloka;
eny, sambatra ny olona afaka ota,
tsy itanan’ny Tompo hadisoana,
fa nitsotra tamin’ny fo manontolo.

Koa nitsotra taminao aho,
tsy nanafina hadisoana:
“Miaiky heloka aho, ry Tompo!”
ka noesorinao ny otako.

Mifalia ao amin’ny Tompo, ry olo-marina;
miravoa, mihobia, ry fo mahitsy!

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 10, 31 — 11, 1)

Makà tahaka ahy, toy ny akako tahaka an’i Kristy.

Ry kristianina havana,
na mihinana ianareo na misotro, na inona na inona ataonareo,
dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.
Aza manao izay hanafintohina ny Jody, na ny Jentily, na ny Eglizin’Andriamanitra,
fa toy ny ataoko, dia manao izay hahafaly ny olona rehetra amin’ny zavatra rehetra aho,
ka tsy mitady ny ho an’ny tenako,
fa ny ho an’ny be sy ny maro,
mba ho voavonjy izy rehetra.
Makà tahaka ahy, toy ny akako tahaka an’i Kristy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 40-45)

Niala tamin-dralehilahy ny habokàna ka nadio izy.

Tamin’izany andro izany,
nisy boka anankiray nanatona an’i Jesoa,
nandohalika teo anatrehany ka nitaraina taminy nanao hoe:

“Raha mety Ianao dia mahay manadio ahy”.

Nangoraka azy i Jesoa ka naninjitra ny tanany
dia nanendry azy sy nanao taminy hoe:

“Mety Aho, madiova ianao”.

Vantany vao niteny Izy,
dia niala tamin-dralehilahy ny habokany ka nadio izy.
Dia nampandeha azy niaraka tamin’izay i Jesoa,
sady namepetra azy mafy nanao hoe:

“Tandremo,
aza milaza izany na amin’iza na amin’iza ianao,
fa mandehana misehoa amin’ny mpisorona,
ary noho ny nanadiovana anao dia manatera ny fanatitra nodidian’i Môizy,
mba ho vavolombelona amin’ny vahoaka”.

Kanjo nony lasa ralehilahy
dia nilazalaza izany sy nampiely izany hatraiza hatraiza,
hany ka tsy afa-niditra niharihary tao an-tanàna intsony i Jesoa,
fa nitoetra teny ivelany tamin’ny tany mangingina Izy,
ary nohatonin’ny olona avy eny tontolo eny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 17 marsa 2025

• Namangy ny Aomoneria Katolikan'ny Oniversiten'Antsiranana, i Mgr Benjamin Marc Ramaroson omaly 16 marsa 2025... • Nosokafana omaly tao amin'ny Diosezin'i Morondava ny fankalazana ny faha-800 taonan'ny namoronan'i Masindahy François d'Assise ny “Cantique des créatures” na ny Antsan'ny zavaboahary... • Toerana iampitan'ny fahazavan'Andriamanitra ny tobim-pahasalamana, hoy ny Papa François omaly, tao anatin'ny fandalinam-pinoana nomaniny, nozaraina tao amin'ny tranonkalam-pifandraisan'ny Vatican...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...