Vakiteny voalohany

Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 12, 26-32 ; 13, 33-34)

Nanao zanak’omby volamena roa i Jerôbôama.

Tamin’izany andro izany, hoy i Jerôbôama anakampony:

“Mba mety ho tafaverina amin’ny tranon’i Davida ihany ny fanjakana izao.
Raha miakatra hanao sorona any an-tranon’ny Tompo any Jerosalema ny vahoaka,
hitodika ny fon’ity vahoaka ity hankany amin’ny Tompony indray, amin-dRôbôama mpanjakan’i Jodà,
dia hamono ahy ka hiverina amin-dRôbôama mpanjakan’i Jodà.”

Dia nandinidinika ny mpanjaka, ka nanao zanak’omby volamena roa
ary nilaza tamin’ny vahoaka hoe:

“Efa ela niakarana tany Jerosalema ianareo, ry Israely,
ity no andriamanitrao, izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta.”

Ny iray napetrany tao Betela, ary ny iray kosa tany Dana.
Nahatonga fahotana izany fa lasa hatrany Dana hivavaka amin’ny anankiray amin’ireo ny vahoaka.
Nanao trano ho fitoerana avo i Jerôbôama,
ary namorona mpisorona nalainy tamin’ny vahoaka fa tsy isan’ny taranak’i Levi.
Nisy fety noforonin’i Jerôbôama
tamin’ny volana fahavalo tamin’ny andro fahadimy ambin’ny folon’ny volana
ho fanahafana ny fety fanao amin’i Jodà,
dia nanatitra sorona teo ambony ôtely izy.
Toy izany no nataony tao Betela,
mba hanaovan’ny olona sorona amin’ireo zanak’omby nataony,
ary nampitoerany tao Betela ny mpisoron’ireo fitoerana avo, izay natsangany.
Taorian’izany zava-niseho izany,
mbola tsy niala tamin’ny lalan-dratsiny ihany i Jerôbôama,
fa mbola nanangana mpisoron’ny fitoerana avo, avy amin’ny vahoaka ihany izy,
ka na iza na iza tia izany, dia natokany ka tonga mpisoron’ny toerana avo izy.
Nampisy fahotana momba ny tranon’i Jerôbôama izany
ka io no antony nandringanana sy namongorana azy teto ambonin’ny tany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 105, 6-7a. 19-20. 21-22

Tsarovy izahay, ry Tompo, izay tia ny vahoakanao.

Nanota toy ny razanay izahay,
nanao izay meloka sy ratsy!
Ny razanay tany Ejipta
tsy nahatsapa ny asanao mahagaga.

Tany Hôreba izy ireo nanao zanak’omby,
niankohoka tamin-tsary anidina.
Ilay voninahiny dia natakalony
sarin’ombilahy homana ahitra!

Hadinony Andriamanitra Mpamonjy azy,
Ilay nanao zava-dehibe tany Ejipta,
zava-mahagaga tany an-tanin’i Kama,
zava-mahatahotra teo an-dRiakan-Jozoro.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 1-10)

Nihinana ny olona ka voky.

Tamin’izany andro izany:
nony betsaka ny vahoaka sady tsy nanan-ko hanina
dia niantso ny mpianany i Jesoa ka nanao taminy hoe:

“Mampalahelo ahy ity vahoaka,
fa efa hateloana izay tsy nisaraka tamiko ka tsy manan-ko hanina;
ary raha ampodiko ho any an-tranony izy tsy mihinana dia ho reraka eny an-dalana,
fa avy lavitra ny sasany.”

Dia hoy ny mpianany namaly Azy:

“Aiza no hahitana mofo hahavoky ireo aty an’efitra?”

Ary Izy nanontany azy hoe:

“Manana mofo firy ianareo?”

“Fito”, hoy izy ireo.

Dia nasainy hipetraka tamin’ny tany ny vahoaka ary noraisiny ny mofo fito,
ka nony vita ny fisaorana dia novakìny, sy nomeny hozarain’ny mpianany,
ary nozarainy tamin’ny vahoaka.
Ary nanana hazandrano madinika vitsivitsy koa Izy,
ka notsofiny rano dia nasainy hozaraina.
Ary nihinana ny olona ka voky,
ary ny sombintsombiny sisa tsy lany nentiny dia nisy fito sobika.
Tokony ho efatra arivo anefa no nihinana; dia nampodiny.
Dia niondrana an-tsambokely niaraka tamin’izay Izy sy ny mpianany,
ka tonga tany amin’ny faritanin’i Dalmanotà.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...