Vakiteny voalohany
Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 10, 1-10)
Hitan’ity mpanjakavavin’i Sabà ny fahendren’i Salômôna rehetra.
Tamin’izany andro izany:
Nandre ny lazan’ny anaran’i Salômôna amin’ny anaran’ny Tompo ny mpanjakavavin’i Sabà
ka tamy hizaha toetra azy amin’ny ankamantatra.
Dia tonga tany Jerosalema izy,
narahin’ny kalesy marobe sy rameva nitondra zava-manitra, volamena sesehena, ary vato soa.
Dia nandroso ho any amin’i Salômôna izy,
dia nolazainy taminy izay rehetra tao am-pony.
Voavalin’i Salômôna avokoa ny fanontaniany,
fa tsy nisy niafina tamin’ny mpanjaka, ka tsy hainy novaliana.
Rahefa hitan’ity mpanjakavavin’i Sabà ny fahendren’i Salômôna rehetra,
ny trano nataony, ny sakafo teo ambony latabany, ny trano fitoeran’ny mpanompony,
ny efitra amam-pitafian’ny mpiasa an-tranony mbamin’ny mpandroso divay ao aminy,
ny ambaratonga fiakarany ho eo amin’ny tranon’ny Tompo,
dia talanjona loatra izy, ka nilaza tamin’ny mpanjaka hoe:
“Hay va re dia marina tokoa ny zavatra reko tany amin’ny taniko,
ny amin’ny momba ny tenanao sy ny fahendrenao!
Tsy nety nino ny lazan’olona aho, raha tsy efa tonga sy nahita maso,
kanjo hay mbola tsy ampy antsasany akory no voalaza tamiko!
Fa mihoatra lavitra noho ny reko tamin’ny filazan’ny olona
ny fahendrena amam-boninahitrao.
Sambatra ny olonao, sambatra ny mpanomponao,
izay manoloana anao lalandava ka mandre ny fahendrenao.
Hankalazaina anie ny Tompo Andriamanitrao, izay mankasitraka anao,
ka nametraka anao eo amin’ny seza fiandrianan’i Israely.
Fa fitiavany mandrakizay an’i Israely no nametrahan’ny Tompo anao ho mpanjaka,
mba hanome rariny ny olona sy hitsara azy marina.”
Dia notoloran-dravehivavy talenta volamena roapolo amby zato,
zava-manitra be dia be ary vatosoa koa ny mpanjaka.
Tsy nisy be noho ny nomen’ny mpanjakavavin’i Sabà an’i Salômôna mpanjaka intsony ny zava-manitra tonga.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo 36, 5-6. 30-31. 39-40
Ny vavan’ny olo-marina mikalo fahendrena.
Ankino amin’ny Tompo ny lalanao,
miantehera aminy; fa Izy no hanao:
ny fanananao ny rariny ho mazava atsinanana,
ny fahamarinanao ho mitataovovonana.
Ny vavan’ny olo-marina mikalo fahendrena;
ny lelany mitanisa ny rariny;
ny Lalàn’Andriamanitra, ao am-pony:
ka ny famindrany tsy hivaona.
Ny famonjena ny olo-marina dia avy amin’ny Tompo:
fa Izy no mandany amin’ny andro fahoriana.
Ny Tompo miahy sy manafaka azy, manafaka azy amin’ny ratsy fanahy.
Eny, Izy no mamonjy azy noho izy ireo mifefy aminy!
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny fanambaràna avy amin’ny vavanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 14-23)
Izay mivoaka avy ao amin’ny olona no mahaloto azy.
Tamin’izany andro izany,
niantso ny vahoaka nankeo aminy indray i Jesoa ka nanao taminy hoe:
“Mihainoa Ahy ianareo rehetra, ka mahafantara.
Tsy ny zavatra avy any ivelany miditra ao anatin’ny olona no mahaloto azy,
fa izay mivoaka avy ao anatin’ny olona no mahaloto azy.
Raha misy manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino.”
Nony niala teo amin’ny vahoaka Izy ka tonga tany an-trano,
dia nanontanian’ny mpianany ny amin’ilay fanoharana, ary hoy Izy taminy:
“Hay! ianareo koa mba kely fahalalana toy izany!
Tsy fantatrareo va fa izay avy eo ivelany dia tsy mahaloto azy,
satria tsy miditra ao am-pony izany fa ao an-kibony ihany,
ka ariana any an-katakonana?
Izany no mahadio ny hanina rehetra.
Fa izay mivoaka avy amin’ny olona, hoy izy, no mahaloto ny olona;
satria avy ao anaty,
dia avy amin’ny fon’ny olona no iavian’ny sain-dratsy
dia ny fakam-badin’olona, ny fijangajangana,
ny famonoana olona, ny halatra,
ny fahihirana, ny hasomparana,
ny hafetsen-dratsy, ny fijejojejoana,
ny fialonana, ny vava ratsy, ny fiavonavonana, ny fahadalana;
izany zavatra rehetra izany no avy ao anatin’ny olona ka mahaloto azy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.