Vakiteny voalohany
Bokin’i Jôba (Jôb. 7, 1-4. 6-7)
Feno tebiteby aho nandra-pahazavan’ny andro.
Tamin’izany andro izany, niteny i Jôba nanao hoe:
“Andro fanompoana, ny fiainan’ny olona eto an-tany,
ary toy ny an’ny mpikarama ny androny.
Toy ny mpanompo maniry alokaloka,
toy ny mpikarama miandry ny karamany,
mova tsy izany aho nanana izay anjara volana mampahory,
sy nanana izay anjara volana mampijaly.
Fa nony handry aho manao hoe:‘Rahoviana aho no hifoha?
Rahoviana ny alina no ho tapitra?’Dia mandry an-driran’antsy foana eo aho,
mandra-pahazavan’ny andro.
Mihelina faingana toy ny famahanan-tenona ny androko, dia lany:
tsy misy fanantenana intsony!
Andriamanitra ô!
tsarovy fa fofona kely foana ny aiko!
ka tsy hahita fiadanana intsony ny masoko”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo fandinihana
Sal. 146, 1-2. 3-4. 5-6
Derao ny Tompo manasitrana ny torotoro fo.
Derao ny Tompo fa tsara,
antsao ny Andriamanitsika fa mamy:
ary fiderana voakaly no tena mendrika Azy:
Izy ilay manorina an’i Jerosalema,
manangona ny tafaely amin’i Israely.
Mitsabo ny fanahy torotoro,
manasitrana ny fo maratra,
Ilay manisa tsirairay ny kintana
sy miantso azy amin’ny anarany avy.
Tompontsika lehibe sy mahery,
Ilay tsy misy fetra ny fahalalany,
Izy Tompo manandratra ny ory,
fa ny olon-dratsy adabony aman-tany.
Vakiteny faharoa
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 9, 16-19. 22-23)
Mila loza aho raha tsy mitory ny Evanjely.
Ry kristianina havana,
raha mitory ny Evanjely aho,
dia tsy mba izany no voninahitro,
fa adidy tsy maintsy efaiko izany,
ka mila loza aho raha tsy mitory ny Evanjely.
Raha safidim-poko fotsiny no anaovako izany,
dia hoe mendri-baly aho;
fa didy no anaovako azy,
ka dia adidy napetraka hiandraiketako izany.
Inona àry ny valisoa azoko?
Izao ihany: mitory ny Evanjely aho,
ary mitory azy maimaim-poana,
fa tsy mampiasa ny fahefana ananako avy amin’ny Evanjely.
Eny, na dia olona afaka aza aho,
ka tsy mpanompon’iza na iza akory,
dia nilatsaka ho mpanompon’ny olona rehetra kosa,
mba hahazoako olona maromaro kokoa.
Tamin’ny malemy aho, dia hoatra ny malemy,
mba hahazoako ny malemy.
Eny, tonga toa azy rehetra tamin’ny olona rehetra aho,
mba hamonjeko azy rehetra.
Ary noho ny Evanjely no nanaovako izany rehetra izany,
mba hananako anjara aminy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 29-39)
Nanasitrana olona maro nararin’ny aretina samihafa Izy.
Tamin’izany andro izany,
raha nivoaka avy tao amin’ny Sinagôga i Jesoa sy i Jakôba ary i Joany,
dia nankany an-tranon’i Simôna sy i Andre.
Ary ny rafozambavin’i Simôna nandry teo am-pandriana fa nanavy,
ka noresahin’izy ireo taminy niaraka tamin’izay.
Dia nanatona nandray ny tanany i Jesoa sy nanarina azy,
dia afaka ny tazony ka nanompo Azy izy.
Nony hariva efa maty masoandro,
dia nentina teo aminy ny marary rehetra sy ny azon’ny demony,
ary ny tao an-tanàna rehetra nitangorona teo am-baravarana avokoa.
Dia nanasitrana olona maro nararin’ny aretina samihafa Izy,
sady nandroaka demony maro,
fa tsy navelany hiteny ny demony, satria nahafantatra Azy.
Nony ampitso nifoha maraina alina koa Izy,
dia nivoaka nankany amin’ny tany mangingina, ka nivavaka tany.
Dia lasa nitady Azy i Simôna sy ny namany,
ka nony nahita Azy dia nilaza taminy hoe:
“Tadiavin’ny olona rehetra Ianao”.
Fa izao no navaliny:
“Andeha isika hankany amin’ny tanàna akaiky,
mba hitoriako any koa; fa izany no nivoahako”.
Dia lasa Izy nitory tamin’ny sinagôgan’ny olona
sy eran’i Galilea rehetra,
sady nandroaka ny demony.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.