Vakiteny voalohany
Boky voalohan’i Samoela (1 Sam. 18, 6-9 ; 19, 1-7)
Tadiavin’i Saola raiko hovonoina ianao.
Tamin’izany andro izany:
tamin’ny niverenan’i Davida avy namono ilay Filistinina,
dia nivoaka avy tamin’ny tanànan’i Israely rehetra ny vehivavy,
nihira, nandihy teo anoloan’i Saola mpanjaka, an-kafaliana
tamin’ny feon’ny ampongatapaka sy ny valiha.
Ka nifamaly ny vehivavy, ny mpandihy, nanao hoe:
“Arivoarivo no matin’i Saola.
Fa alinalina kosa, ny an’i Davida.”
Tezitra mafy i Saola
ary tsy sitrany izany teny izany, ka hoy izy:
“Ny an’i Davida nataony alinalina
fa ny ahy kosa nataony arivoarivo
ka ny fanjakana izany no sisa tsy azony.”
Hatramin’izay andro izay dia ratsy fijery an’i Davida i Saola.
Niresaka tamin’i Jônatasy zanany sy ny mpanompony rehetra i Saola
ny amin’izay hahafaty an’i Davida.
Fatratra kosa anefa ny fitiavan’i Jônatasy zanak’i Saola an’i Davida.
Koa nampandre an’i Davida i Jônatasy nanao hoe:
“Tadiavin’i Saola raiko hovonoina ianao
ka mitandrema tena rahampitso maraina,
mihataha ka miere.
Ary hivoaka aho ka ho eo anilan’i dada amin’ny saha misy anao
ka hiresaka amin’i dada ny aminao,
dia ho hitako izay heviny,
ka hampandrenesiko anao.”
Nilaza soa an’i Davida tamin’i Saola rainy i Jônatasy,
fa hoy izy taminy:
“Aoka ny mpanjaka tsy hanota amin’i Davida mpanompony,
satria tsy nanota taminao izy.
Fa vao mainka koa soa ho anao aza ny nataony rehetra,
nanao vy very ny ainy,
namono an’ilay Filistinina izy,
ka izy no nanaovan’ny Tompo famonjena lehibe ho an’i Israely rehetra.
Nahita izany ianao sy nifaly tamin’izany.
Ka ahoana no hanotanao amin’ny ra tsy manan-tsiny,
amin’ny famonoana, tsy misy antony, an’i Davida?”
Nihaino ny tenin’i Jônatasy i Saola,
ka nianiana i Saola nanao hoe:
“Velona ny Tompo,
tsy hovonoina i Davida!”
Dia nantsoin’i Jônatasy i Davida
ary nilazan’i Jônatasy izany teny rehetra izany,
vao nentin’i Jônatasy nankeo amin’i Saola i Davida,
ka nitoetra teo anatrehany, toy ny taloha indray.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo 55, 2-3. 9-10ab. 10d-11. 12-13
Andriamanitra no itokiako, tsy hatahotra aho.
Iantrao aho, ry Andriamanitra, fa hosena;
tontolo andro viraviraina;
tontolo andro hosen-drafilahy;
ifarimbonan’ny maro iadiana!
Ny nirenireneko voasoratrao ao amin’ny Bokinao;
ny ranomasoko voaangonao ao an-tsiny kelinao!
Ny fahavaloko hiamboho
amin’ny andro hiantsoako.
Fantatro izany,
fa Andriamanitra momba ahy!
Andriamanitra
izay deraiko ny Teniny!
Andriamanitra, hoy aho, no itokiako:
tsia, tsy matahotra aho: hahavita inona amiko izay nofo?
Eny, adidiko, ry Andriamanitra, ny voadiko taminao;
hatolotro ny sorom-pisaorana Anao.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Araikao amin’ny fanambarànao ny foko ry Tompo, ary ny lalanao no aoka hanenika ahy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 7-12)
Niantso ny fanahy ratsy nanao hoe: “Ianao no zanak’Andriamanitra”, fa norarany izy ireo mba tsy hanao izay hahafantarana azy.
Tamin’izany andro izany:
Lasa nankany amin’ny ranomasina niaraka tamin’ny mpianany i Jesoa,
ary maro ny olona avy tany Galilea no nanaraka Azy.
Ary maro koa no tany Jodea sy Jerosalema,
sy tany Idomea, sy tany an-dafin’i Jordany,
ary tamin’ny tany manodidina an’i Tira sy Sidôna
no nankeo aminy nony nandre ny nataony.
Ary nilaza tamin’ny mpianany Izy mba hanomana sambo kely
hiandry Azy eo noho ny habetsahan’ny vahoaka
fandrao dia poritin’ny olona Izy.
Fa nahasitrana olona betsaka Izy,
ka nifanesika hanendry azy izay rehetra nanana aretina.
Ary raha nahita Azy koa ny fanahy maloto,
dia miankohoka eo anatrehany ka miantso Azy hoe:
“Ianao no zanak’Andriamanitra”;
fa rarany sy rahonany mafy izy ireo
mba tsy hanao izay hahafantarana azy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.