Vakiteny voalohany

Boky voalohan’i Makabeo (1 Makab. 2, 15-29)

Hanaraka ny faneken’ny razanay izahay.

Tamin’izany andro izany,
dia tonga tao Môdìna handahatra fanaovan-tsorona ireo manam-boninahitry ny mpanjaka,
nomena raharaha hanery ny olona hivadika.
Israelita maro be no nomba azy ireo;
ary i Matatiasa sy ireo zanany dia nivory ihany koa.
Niteny tamin’i Matatiasa ireo irak’i Antiôkosa, ka hoy izy taminy:

“Ianao eto an-tanàna no lohany indrindra voahaja sy mahamena-maso
mihoatra noho ny sisa rehetra ary maro zanaka aman-drahalahy.
Koa ianao no aoka hanatona voalohany,
hanatanteraka ny didin’ny mpanjaka toraky ny efa nataon’ny firenena rehetra,
sy ny lehilahy amin’i Jodà,
mbamin’ireo tafajanona any Jerosalema,
dia ho anisan’ny sakaizan’ny mpanjaka avokoa ianao sy ny ankohonanao,
samy hahazo firavaka volamena amam-bolafotsy
sy fanomezana maro ianao mbamin’ireo zanakao.”

Ary i Matatiasa namaly niteny tamim-peo avo nanao hoe:

“Na dia hanaiky an’i Antiôkosa avokoa aza
ny firenena rehetra anatin’ny fanjakany,
ka samy hahafoy ny fombam-pivavahan’ny razany,
sy hanaraka an-tsitrapo ny didiny,
izaho sy ireo zanako aman-drahalahiko kosa hanaraka ny faneken’ny razanay.
Sanatria anay ny hanary ny lalàn’Andriamanitra amam-pitsipiny!
Tsy hanaiky ny didin’ny mpanjaka izahay,
ka hiala amin’ny fombam-pivavahana,
na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia.”

Vao tapitra izay teniny izay,
dia nisy Jody anankiray nandroso teo imason’ny olona rehetra teo hanao sorona,
araka ny didin’ny mpanjaka,
teo amin’ny ôtely natsangana tao Môdìna.
Nony nahita izany i Matatiasa, dia tezitra sady niontana ny fony;
navelany hisondrotra araka ny lalàna ny hatezerany,
ka niantoraka namono an-dralehilahy teo amin’ny ôtely izy.
Novonoiny niaraka tamin’izay koa ilay manamboninahitry ny mpanjaka,
nanery hanao sorona, sady nazerany ny ôtely.

Toy izany no nirehetan’ny zotom-pony hiaro ny lalàna,
toy ny nataon’i Finea izay namono an’i Zambrì, zanak’i Salôma.
Dia nandeha eran’ny tanàna i Matatiasa, niantso tamim-peo avo hoe:

“Izay rehetra manam-pahazotoana hiaro ny lalàna sy mitana ny fanekena,
samia mivoaka sy manaraka ahy avokoa.”

Izay izy mbamin’ireo zanany,
dia nandositra nankany an-tendrombohitra;
nilaozany izay rehetra nananany tao an-tanàna.
Nisy Jody maro be koa,
izay nikatsaka ny fahamarinana sy ny lalàna
ka nidina tamin’izay ho any an’efitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 49, 1-2. 5-6. 14-15

Izay mahitsy famindra hohetsahin’Andriamanitra amin’ny vonjiny.

Ny Tompo Andriamanitra lehibe
manaika ny tany tontolo:
dia izay iposahan’ny andro
ka hatrany amin’izay ilentehany.
Indro Andriamanitra mamiratra
ao Siôna fanaperan-tsoa!

Vorio eto amiko ny mpivavaka amiko
izay nifanaiky tamiko tamin-tsorona.
Ny fahamarinany ambaran’ny lanitra.
Eny, Andriamanitra no Ilay Mpitsara.

Ny saotra atao fanatitra ho an’Andriamanitra;
ny voadinao, tovina ho an’ny Avo indrindra.
Dia antsoy Aho amin’ny andro fahoriana,
fa hanafaka sy hampipetraka amin’ny fanasana!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 19, 41-44)

Raha mba nahalala izay hampiadana anao manko ianao.

Tamin’izany andro izany,
nony mby akaiky an’i Jerosalema i Jesoa
dia nitomany azy nanao hoe:

“Raha izay kosa manko ianao no mba nahalala izay hampiadana anao,
na dia amin’itý andro nomena anao itý ihany aza!
Fa takona ny masonao izany ankehitriny.
Ka ho avy aminao ny andro
hanaovan’ny fahavalonao hady manodidina anao;
hosaronany ianao sy hotereny hatraiza hatraiza,
ary hofongorany hatramin’ny tany mbamin’ny zanakao eo anatinao
ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao,
satria tsy nahalala ny andro namangiana anao ianao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...