Vakiteny voalohany
Boky Faharoan’i Makabeo (2 Makabeo 7, 1. 20-31)
Mbola hamerina aminareo ny fanahy amam-piainana Ilay Mpahary izao tontolo izao.
Tamin’izany andro izany,
dia nisy olona fito mirahalahy, nosamborina miaraka amin-dreniny;
ary notadiavin’ny mpanjaka hoterena hihinan-kena kisoa,
noraràn’ny lalàna, izy ireo,
ka nokapohina natao hoto tamin’ny kotopia aman-kozatr’omby.
Mahagaga mihoatra izay azo lazaina sy mendrika fahatsiarovana manehoeho ilay reniny,
fa nahita ireto zanany fito mirahalahy maty tanatin’ny indray andro monja;
nefa notohanan’ny fanantenana ao amin’ny Tompo izy dia nahazaka izany tamin-kerim-po.
Samy namporisihiny tsirairay avy izy ireo tamin’ny fitenin-drazany
ary feno hevitra mendrika indrindra izy,
ka ny halemem-behivavy tao aminy, dia notohanany herim-pon-dehilahy.
Dia hoy izy tamin’izy ireo:
“Tsy fantatro izay nisehoanareo tao an-kiboko;
tsy izaho no nanome fanahy amam-piainana anareo;
tsy izaho no nanambatra ny foto-javatra iforonan’ny vatanareo.
Noho izany, ny Mpahary izao tontolo izao,
izay namorona ny olombelona hatramin’ny nahaterahany,
sy mandahatra ny fiavian’ny zavatra rehetra,
dia mbola hamerina aminareo ny fanahy amam-piainana, noho ny famindram-pony,
satria noho ny fitiavanareo ny lalàny
no anaovanareo tsy ho zavatra ny tenanareo ankehitriny.”
Nataon’i Antiôkosa fa tsiratsiraina izy,
ary noheveriny ho fanazimbana azy ireo teny ireo.
Raha mbola velona ihany ilay faralahy,
dia sady namporisihiny io no nampanantenainy tamim-pianianana,
fa hataony tonga sambatra sy manan-karena raha mahafoy ny lalàn’ny razany,
dia horaisiny ho sakaiza ary homeny raharaha ambony.
Tsy nasian-drazazalahy raharaha akory anefa ireo fanolorana ireo;
ka ny reniny no nantsoin’ny mpanjaka sy nasainy nanome hevitra mahavonjy an’itý zatovo.
Namporisihiny ela ravehivavy vao nanaiky hitaona an-janany.
Nihilana teo aminy izy no sady nanaraby an’itsy mpanjaka masiaka,
ka dia niteny tamin’ny fitenin-drazany hoe:
“Mamindrà fo amiko, anaka,
izaho nitondra anao sivy volana tato an-kiboko,
nampinono anao telo taona,
nikarakara anao, namelona sy nanabe anao hatramin’izao taonanao izao.
Ka mihanta aminao aho,
jereo ny lanitra sy ny tany,
diniho izay rehetra ao aminy,
ary fantaro fa Andriamanitra no nahary izany tamin’ny tsinontsinona,
ary toy izany no nahazoan’ny taranak’olombelona fisiana.
Aza matahotra itý mpamono, mbà mendrika an’ireo rahalahinao,
ka ekeo ny ho faty mba hahitako anao miaraka amin’ny rahalahinao,
raha mby amin’ny andron’ny famindram-po.”
Mbola miteny eo izy, dia hoy razazalahy:
“Fa inona no andrasanareo?
Tsy ekeko ny didin’ny mpanjaka,
ny didin’ny lalàna nomen’i Môizy ny razanay no ekeko.
Ary ianao izay fototr’izao loza rehetra mamely ny Hebrio izao,
dia tsy ho afa-mandositra ny sandrin’Andriamanitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo 16, 1. 5-6. 8 sy 15
Ho voky aho, fa miseho ny voninahitrao, ry Tompo.
Henoy ny antsoko, ry Tompo!
Mandrenesa ny tarainako!
Mampandria sofina amin’ny tonom-bavako,
izay tsy avy amin’ny molotra mpamitaka.
Mikiry mamindra amin’ny soritrao aho,
ka tsy mamela ny tongotro hivily.
Miantso aho, ka valio Andriamanitra:
anongilano sofina, henoy teny.
Ambeno toy ny anakandriamaso aho;
afeno aho ao amin’ny aloky ny elatrao.
Izaho noho ny fahamarinako, hibanjina ny tavanao,
hivoky amin’ny endrikao raha mifoha!
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Raiso ny tenin’Andriamanitra, tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa, fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 19, 11-28)
Nahoana no tsy napetrakao tany amin’ny banky ny volako.
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao itý fanoharana itý,
fa efa akaiky an’i Jerosalema Izy,
ary nataon’ny olona fa ny fanjakan’Andriamanitra hiseho miaraka amin’izay,
ka hoy Izy:
“Nisy andriandahy anankiray nankany an-tany lavitra mba handray fanjakana,
dia mbola hiverina.
Dia niantso folo lahy tamin’ny mpanompony izy
ka nanome azy mina folo ary nanao taminy hoe:‘Ampitomboy ireny mandrapiveriko.’
Fa nankahala azy kosa ny vahoaka iray tanindrazana aminy
ka nampitondra teny nanaraka azy nanao hoe:‘Tsy tianay hanjaka aminay iny lehilahy iny.’
Nony nahazo fanjakana izy, ka tafaverina,
dia nampaka ny mpanompo nomeny vola
mba hahitany izay tombony azony avy.
Dia tonga ny voalohany ka nanao hoe:‘Tompoko, nahazoana mina folo ny mina iray.’
Ary hoy izy taminy:
‘Tsara izany, ry mpanompo tsara,
noho ianao nahatoky tamin’ny kely,
dia hifehy tanàna folo ianao.’Dia tonga koa ny faharoa ka nanao hoe:
‘Tompoko, nahazoana mina dimy ny mina iray.’
Ary hoy izy taminy:
‘Hifehy tanàna dimy koa ianao.’
Fa tonga kosa ny anankiray ka nanao hoe:
‘Tompoko, indro ny minanao,
fa notahiriziko tao anaty lamba;
satria natahotra anao aho, noho ianao lehilahy sarotiny
ka maka izay tsy napetrakao sy mijinja izay tsy nafafinao.’Dia hoy ilay mpanjaka taminy:
‘Azoko amin’ny vavanao ianao, ry mpanompo ratsy fanahy;
fantatrao fa olona sarotiny aho ka maka izay tsy napetrako,
ary mijinja izay tsy nafafiko;
koa nahoana àry no tsy napetrakao tany amin’ny banky ny volako
mba handraisako azy mban-janany rahefa tafaverina aho?’Dia izao no nataony tamin’izay teo:
‘Alao ny minany eny aminy ka omeo an’ilay manana folo.’
Fa hoy ireo taminy:
‘Tompoko, efa manana mina folo izy.’
‘Lazaiko aminareo fa izay manana no homena;
fa izay tsy manana kosa dia halaina mbamin’izay ananany aza.
Ary ireo fahavaloko tsy nety hanjakako ireo kosa dia ento atý,
ka vonoy eto anatrehako.’”
Rahefa niteny izany i Jesoa,
dia nandeha nialoha hiakatra any Jerosalema.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.