Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 1, 1-7)

I Jesoa Kristy no nandraisanay ny fahasoavana sy ny maha-Apôstôly anay, mba hampanaiky ny jentily rehetra ny finoana.

Izaho Paoly, mpanompon’i Kristy Jesoa,
voaantso ho Apôstôly sy voatokana hitory ny Evanjelin’Andriamanitra,
— izay nampanantenainy rahateo tamin’ny alalan’ny mpaminany ao amin’ny Soratra Masina,
momba ny Zanany (izay nateraky ny taranak’i Davida araka ny nofo,
ary naseho tamin-kery ho Zanak’Andriamanitra tamin’ny fitsanganan-ko velona
araka ny fanahin’ny fahamasinana),
dia i Jesoa Kristy Tompontsika,
izay nandraisanay ny fahasoavana sy ny maha-Apôstôly anay
mba hampanaiky ny jentily rehetra ny finoana, amin’ny Anarany,
ary anisan’ireny koa ianareo, noho ny fiantsoan’i Jesoa Kristy:
— mamangy anareo rehetra malalan’Andriamanitra any Rôma,
izay olo-masina voaantsony:
homba anareo anie ny fahasoavana amam-piadanana
avy amin’Andriamanitra Raintsika, sy i Jesoa Kristy Tompo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 97, 1-2. 3ab. 3de-4

Ny Tompo manambara ny famonjeny.

Ihirao hira vao ny Tompo:
fa nahavita zava-mahagaga!
Namonjy azy ny tanany havanana,
nanampy azy ny sandriny masina!
Ny Tompo nanambara ny famonjeny,
sy naneho ny fahamarinany tamin’ireo firenena.

Tsarovy, ry Tranon’i Israely,
ny hatsaram-po sy fahamarinany.
Zahao ry vazan-tany rehetra
ny famonjen’ny Andriamanitray.

Mihobia ny Tompo, ry tany tontolo,
mientàna, mihobia sy miantsà.
Miantsà ny Tompo amim-baliha sy hira fiantsàna,
amin’antsiva sy feon’anjomara.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 29-42)

Tsy homena afa-tsy ny famantaran’i Jônasa mpaminany ianareo.

Tamin’izany andro izany,
nitangorona betsaka ny vahoaka, dia nilazan’i Jesoa hoe:

“Taranaka ratsy itý taranaka itý;
mitady famantarana izy,
nefa tsy homena afa-tsy ny famantaran’i Jônasa mpaminany.
Fa tahaka ny naha-famantarana an’i Jônasa tamin’ny olona tany Niniva
no haha-famantarana ny Zanak’Olona koa amin’itý taranaka itý.
Hiara-mitsangana amin’ny olona amin’itý taranaka itý
ny mpanjakavavy avy any Atsimo
amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy,
satria niala avy tany amin’ny fara vazan-tany izy
hihaino ny fahendren’i Salômôna,
nefa indro misy mihoatra noho i Salômôna eto.
Hiara-mitsangana amin’itý taranaka itý
ny olona tany Niniva
amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy,
satria nibebaka tamin’ny toritenin’i Jônasa izy ireny,
nefa indro misy mihoatra noho i Jônasa eto.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...