Vakiteny voalohany

Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 20, 7-9)

Ny tenin’ny Tompo tonga fandatsana ho ahy.

Notarihinao aho, ry Tompo, ka voatarika.
Nosamborinao aho, ka nahery Ianao.
Zavatra fihomehezana aho isan’andro;
maneso ahy avokoa ny olona rehetra.
Fa isaky ny miteny aho, dia manao antso avo,
manambara loza sy fandringanana,
ka ny tenin’ny Tompo tonga fandatsana sy fihomehezana ahy isan’andro.
Hoy aho:

“Tsy hilaza ny aminy intsony aho,
tsy hiteny amin’ny Anarany intsony aho!...”

dia nisy toy ny afo nirehitra ato am-poko,
voahidy ao anatin’ny taolako;
nanao izay hihazonana azy aho,
nefa tsy nahatana azy.

— Izany ary ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 62, 2. 3-4. 5-6. 8-9

Mangetaheta Anao ny fanahiko, ry Tompo Andriamanitro.

Andriamanitra ô, Ianao no Andriamanitro!
Vao maraina aho maniry Anao;
mangetaheta Anao ny fanahiko;
matimaty Anao ny nofoko;
toy ny tany maina sy mangentana,
toy ny tany haraka, mila rano!

Tao an-toerana masina
no nahitako Anao;
tao aho nibanjina
ny herinao sy ny voninahitrao:
ka ny molotro nidera Anao,
fa ny fitiavanao, tsara noho ny aina!

Eny, hisaotra aho raha mbola velona;
ny Anaranao hanandratako tanana:
ka ny fanahy ho heni-tsoa,
ny molotra hihoby, ny vava hidera.

Fa notsenainao ny vonjinao aho,
ka mibitaka alofan’ny elatrao;
ny fanahiko mifikitra aminao,
ny tananao mihazona ahy.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 12, 1-2)

Samia re manolotra ny tenanareo ho sorona velona.

Ry kristianina havana,
mangataka aminareo aho,
noho ny famindram-pon’Andriamanitra,
samia re manolotra ny tenanareo amin’Izy Tompo,
ho sorona velona, masina, ankasitrahiny;
fa izany no fanompoam-panahy mety hataonareo aminy.
Ary aza manaraka an’izao tontolo izao,
fa miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy,
mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra,
izay sady soa sy ankasitrahiny no lavorary.

— Izany ary ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao amin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 21-27)

Raha misy te hanaraka Ahy, dia aoka izy handà ny tenany.

Tamin’izany andro izany,
dia noborahin’i Jesoa tamin’ny mpianany
fa tsy maintsy ho any Jerosalema Izy,
ary hoampijalian’ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona,
dia hovonoina,
ary hitsangan-ko velona rehefa afaka hateloana.
Ary naka Azy hitanila kely i Piera ka niteny Azy mafy hoe:

“Sanatria, Tompo, raha hihatra aminao izany!”

Fa nihodina Izy ka nilaza tamin’i Piera hoe:

“Mialà amiko, ry Satana!
Manafintohina Ahy ity ianao,
satria tsy mihevitra araka ny hevitr’Andriamanitra,
fa araka ny an’ny olona”.

Ary tamin’izay i Jesoa dia nilaza tamin’ny mpianany hoe:

“Raha misy te hanaraka Ahy,
aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany,
ka hanaraka Ahy.
Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy,
ary izay hahafoy azy noho ny amiko no hahazo azy.
Inona no soa azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy,
nefa very ny fanahiny?
Fa ny Zanak’olona dia ho avy amin’ny voninahitry ny Rainy
miaraka amin’ny Anjeliny,
ka amin’izay dia hamaly ny olona araka ny nataony Izy”.

— Izany ary ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...