Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 2, 9-13)

Sady niasa andro aman’alina izahay no nitory ny Evanjely taminareo.

Ry kristianina havana,
he tsaroanareo ny fikelezana aina amam-pisasaranay,
fa sady niasa andro aman’alina izahay,
no nitory ny Evanjelin’Andriamanitra tany aminareo,
mba tsy hahavaky tratra olona na dia iray taminareo aza.
Ianareo no vavolombelona, ary Andriamanitra koa,
fa masina sy marina ary tsy nanan-tsiny teo imasonareo izay mino,
ny fitondran-tenanay;
hoatra ny fanaon-dray aman-janaka no nataonay taminareo tsirairay avy,
araka ny hitanareo;
fa nananatra anareo izahay, nanala alahelo anareo,
namepetra anareo mafy mba handehananareo mendrika an’Andriamanitra,
izay niantso anareo ho amin’ny fanjakany sy ny voninahiny.
Noho izany,
dia tsy tapaka ny misaotra an’Andriamanitra koa izahay
satria tamin’ny nandraisanareo ny tenin’Andriamanitra notorinay,
dia tsy noraisinareo ho tenin’ny olombelona izany,
fa noraisinareo araka ny marina tokoa,
ho tenin’Andriamanitra, izay miasa ao anatinareo efa mino.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 138, 7-8. 9-10. 11-12ab

Tompo ô, mandinika ahy Ianao ka mahafantatra.

Aiza no hialako amin’ny fofon’ainao?
Aiza no handosirako tsy ho anoloanao?
Raha mananika ny lanitra aho, any Ianao;
mitokoko any an-tSeoly, io koa Ianao.

Raha maka ny elatry ny mazava atsinanana aho,
mba honina any am-paran’ny ranomasina,
mbola ny tananao no mitondra ahy any,
eny: ny tananao no mitantana.

Ka hoy aho hoe: Ny haizina no aoka hanarona!
Ny alina no hifonosako!
Kanjo na ny haizina aza, tsy maizina aminao;
ny alina avy no mazava toy ny andro.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 27-32)

Zanak’izay namono ny mpaminany ianareo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao hoe:

“Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy,
fa tahaka ny fasana voalalotra fotsy ianareo eto ivelany
ka miseho ho tsara,
fa ao anatiny feno taolam-paty sy olitra.
Toy izany koa,
ianareo eto ivelany miseho ho marina eo imason’ny olona,
nefa ao anatinareo feno fihatsarambelatsihy sy faharatsiana.
Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy,
fa manamboatra ny fasan’ny mpaminany ianareo
sady manisy haingony ny tsangam-baton’ny olo-marina ka manao hoe:

‘Raha izahay no mba tamin’ny andron’ny razanay,
dia tsy ho niray tetika taminy,
handatsaka ny ran’ny mpaminany izahay.’

Koa amin’izany ny tenanareo ihany no mitsangan-ko vavolombelona
fa zanak’izay namono ny mpaminany ianareo.
Fenoy àry ny famaran’ny razanareo!”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...