Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 27, 1-5. 15-29)

Naka ny fizokian’ny rahalahiny i Jakôba ary naka ny tso-drano koa.

Efa antitra i Isaaka ka efa nanjavona ny masony ka tsy nahita intsony.
Dia niantso an’i Esao zanany lahimatoa izy, ka nanao taminy hoe:

“Anaka.”

Ary hoy io taminy:

“Inty aho.”

Dia hoy i Isaaka:

“Hitanao fa efa antitra aho izao;
ary tsy fantatro izay andro hahafatesako.
Koa ankehitriny, alao ny fitaovanao, dia ny tranon-janatsipìkanao sy ny tsipìkanao,
ka mandehana any an-tsaha, ka mamonoa biby fihaza ho ahy.
Dia anaovy nahandro tsara ho ahy izany, araka ilay tiako;
ka ento aty amiko hohaniko,
mba hitsofan’ny fanahiko rano anao, dieny mbola tsy maty aho.”

Ary henon-dRebekà kosa ny nitenenan’i Isaaka tamin’i Esao, zanany;
dia lasa i Esao nankany an-tsaha mba hiremby haza sy hitondra azy.
Ary nalain-dRebekà ny fitafian’i Esao, zanany lahimatoa, ny tsara indrindra, izay tao an-trano,
ka nampitafiany an’i Jakôba, zanany lahiaivo.
Dia nofonosiny tamin’ny hodin-janak’osy koa ny tanany mbamin’ny malambolambo amin’ny vozony.
Izay vao nataony an-tanan-janany ny nahandro tsara sy ny mofo efa namboariny.

Dia nankao amin-drainy i Jakôba, ka nanao hoe:

“Dada ô!”

Dia hoy i Isaaka:

“Inty aho, iza moa ianao, anaka?”

Ary hoy i Jakôba tamin-drainy:

“Izaho no Esao zanakao lahimatoa.
Vitako ny nasainao nataoko, ka masìna ianao,
miarena ary mipetraha hihinana ny hazako,
mba hitsofan’ny fanahinao rano ahy.”

Fa hoy i Isaaka tamin-janany:

“Ahoana no dia nahazoanao faingana toy izany anaka?”

Ka hoy i Jakôba:

“Ny Tompo Andriamanitrao no nahatonga azy teo anoloako.”

Ary hoy i Isaaka:

“Manatòna àry, mba hitsapako anao kely,
na ianao tokoa no Esao zanako na tsia.”

Dia nanatona an-drainy i Jakôba;
ka hoy i Isaaka nony nitsapa azy:

“Ny feony dia feon’i Jakôba,
fa ny tanany dia tanan’i Esao.”

Tsy nahalala azy izy, satria voloina tahaka ny an’i Esao rahalahiny ny tanany,
ka dia nitso-drano azy izy.
Hoy izy:

“Marina tokoa va fa ianao no Esao zanako?”

Ary hoy i Jakôba:

“Izaho no izy.”

Dia hoy i Isaaka:

“Arosoy àry hohaniko izato hazan’ny zanako,
mba hitsofan’ny fanahiko rano anao.”

Dia naroson’i Jakôba teo anoloany izany ka nihinana izy
ary notolorany divay koa, ka nisotro.
Rahefa izany, hoy i Isaaka rainy, taminy:

“Manatòna ianao, anaka, manoroha ahy.”

Dia nanatona i Jakôba ka nanoroka azy;
ary nandre ny hanitry ny fitafiany i Isaaka,
ka nitso-drano azy nanao hoe:

“Eny, ny hanitry ny zanako,
dia tahaka ny hanitry ny saha voatso-dranon’ny Tompo.
Andriamanitra anie hanome anao amin’ny andon’ny lanitra sy amin’ny menaky ny tany;
mbamin’ny vary aman-divay ankabetsahana!
Hotompoim-pirenena maro anie ianao, hiankohofam-pirenena maro ianao;
hotompoin’ny rahalahinao anie ianao;
hiankohofan’ny zana-dreninao ianao;
ho voaozona anie izay hanozona anao;
fa hohasoavina kosa izay hanisy soa anao!”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 134, 1-2. 3-4. 5-6

Miderà ny Tompo fa tsara Izy.

Derao ny Tompo!
Derao Izy, ry mpanompon’ny Tompo,
ianareo izay mijanona ao an-tranon’ny Tompo,
ao an-kianjan’ny tranon’ny Andriamanitsika!

Derao ny Tompo fa tsara!
Antsao ny Anarany fa mamy!
Fa i Jakôba nofidîn’ny Tompo ho azy;
i Israely, ho fananany!

Fantaro fa lehibe ny Tompo.
Mihoatra ny andriamanitra rehetra ny Andriamanitsika!
Izay sitraky ny Tompo, ataony avokoa:
any an-danitra sy eto an-tany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny tenin’ny fahamarinana Izy,
mba ho santatry ny zava-boaariny isika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 14-17)

Moa mahazo misaona va ny olona raha mbola eo ny mpampakatra?

Tamin’izany andro izany,
nankao amin’i Jesoa ny mpianatr’i Joany ka nanao hoe:

“Nahoana izahay sy ny Farisianina no mifady hanina matetika,
fa ny mpianatrao kosa no tsy mba mifady?”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Moa mahazo misaona va ny zanaky ny mpampakatra raha mbola eo aminy ny mpampakatra?
Fa mbola ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra hiala aminy,
ka amin’izay vao hifady hanina izy.
Ary tsy misy olona manampina akanjo tonta amin’ny tapa-damba vaovao,
fa handrovitra ny tonta ny vao ka hitatra ny rovitra.
Ary ny barìka hoditra tonta tsy mba fasiana divay vaovao;
fa raha izany, dia ho vaky ny barìka, ka ny divay raraka, ary ny barìka simba;
fa ny barìka hoditra vaovao no fasiana divay vaovao, dia samy maharitra izy roroa.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 17 jona 2024

♦ Nankalazaina tamin'ny sabotsy sy alahady lasa teo ny Andro Maneran-tany faha-58 ho an'ny Fifandraisan'ny Mpiara-belona, teto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Masera dimy mirahavavy ao amin'ny fikambanana Fo Masin'i Jesoa no nanonona ny voady mandrakizay tao amin'ny fikambanana, ny sabotsy lasa teo... ♦ Mamafy ny Evanjely, ary miandry amim-pitokiana ny fitombon'ny voa nafafy, io no nivoitra tamin'ny fampianaran'ny Papa François mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...