Vakiteny voalohany
Bokin’i Siràka (Ekl 36, 1-2. 5-6. 13-19)
Aoka ho fantatry ny olona rehetra fa tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, ry Tompo.
Mamindrà fo aminay, ry Tompo Andriamanitr’izao rehetra izao, ka jereo;
ary arotsahy amin’ny firenena rehetra ny fampahatahoranao.
Ary aoka ho fantatr’izy ireo, tahaka ny nahafantaranay,
fa tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, ry Tompo!
Avereno indray ny famantaranao, ataovy indray ny fahagagana.
Angony avokoa ny fokon’i Jakôba
ka avereno aminy indray ny lova toy ny tamin’ny voalohany.
Tompo ô, mamindrà fo amin’ny vahoakanao,
izay antsoina amin’ny Anaranao sy amin’i Israely
izay nataonao toy ny lahimatoa.
Iantrao ny tanàna misy ny fitoeranao masina,
dia i Jerosalema fitoerana fitsaharanao.
Fenoy ny teny tò avy aminao i Siôna
ary ny voninahitrao, ny vahoakanao.
Mitsangàna ho vavolombelona miaro an’ireo zava-boaarinao hatramin’ny voalohany
ary tanteraho ny fampanantenana nataonao amin’ny Anaranao.
Valio soa ireto olona manantena Anao,
ary aoka ho hita fa tò teny ny mpaminaninao.
Henoy, ry Tompo ô, ny vavak’izay mitalaho aminao,
araka ny tso-dranon’i Aarôna tamin’ny vahoakanao,
ary aoka ho fantatry ny mponina rehetra eto an-tany
fa Ianao no Tompo Andriamanitra amin’ny taona rehetra!
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo 78, 8. 9. 11. 13
Asehoy anay, ry Tompo, ny famindram-ponao!
Aza dia tsarovana hamelezana anay
ireo helokay fahiny;
ny indrafonao atsena anay faingana:
fa reraka loatra izahay!
Vonjeo izahay,
ry Andriamanitra Mpamonjy:
noho ny voninahitrao!
Afaho izahay, avelao ny otanay noho ny Anaranao!
Aoka ho tody eo anoloanao
ny senton’ireo mpigadra!
Araka ny halehiben’ny sandrinao,
afaho ireo voatondro hovonoina!
Ary izahay olonao sy ondry fiandrinao
dia hisaotra Anao mandrakizay,
ary hitanisa ny fiderana Anao
amin’ny taranaka mifandimby!
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo
satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 32-45)
Indro isika fa miakatra ho any Jerosalema, ary ny Zanak’Olona dia hatolotra.
Tamin’izany andro izany,
nony teny an-dalana ho any Jerosalema ny mpianatra,
dia i Jesoa no loha lalana,
ka sady gaga ny mpianany no natahotra teny am-panarahana Azy.
Dia nalainy indray ny roa ambin’ny folo lahy
ka nilazany ny hanjò Azy:
“Indro fa miakatra ho any Jerosalema isika,
ary ny Zanak’Olona dia hatolotra
amin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna,
ary hohelohina ho faty ka hatolony amin’ny jentily;
dia hoesoiny, hororany, hokapohiny, ary hovonoiny,
fa hitsangana indray amin’ny andro fahatelo.”
Ary nanatona Azy i Jakôba sy i Joany zanak’i Zebede ka nanao hoe:
“Ry Mpampianatra ô,
tianay mba hataonao aminay izay hangatahanay aminao.”
Ary hoy Izy:
“Inona no tianareo hataoko aminareo?”
Dia hoy ireo:
“Aoka ny anankiray aminay mba hipetraka eo ankavananao,
ary ny anankiray eo ankavianao any amin’ny voninahitrao.”
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Tsy fantatrareo izay angatahinareo;
moa mahasotro ny kapoaka izay hosotroiko va ianareo,
na mahazaka ny batemy izay hanaovana batemy Ahy?”
Hoy ireo taminy:
“Zakanay.”
Fa hoy kosa i Jesoa:
“Raha ny kapoaka hosotroiko,
dia hosotroinareo ihany tokoa,
ary ny batemy hanaovana batemy Ahy
dia hanaovana batemy anareo ihany koa;
fa raha ny hipetraka eo ankavanako sy ny ankaviako kosa
dia tsy ahy ny hanome izany,
fa ho an’izay nanamboarana azy ihany izany.”
Nony nandre izany izy folo lahy
dia tezitra tamin’i Jakôba sy i Joany;
fa nantsoin’i Jesoa izy ireo ka nilazany hoe:
“Fantatrareo fa amin’ny fanjakan’izao tontolo izao,
dia ny mpifehy no mitsangana ho tompo mandidy,
ary ny lehibe no miseho ho mpifehy manam-pahefana.
Fa aminareo kosa tsy mba tahaka izany;
fa izay te-ho lehibe indrindra
no aoka ho mpanompo anareo,
ary izay te-ho ambony indrindra eo aminareo
no aoka ho mpanomponareo rehetra.
Fa ny Zanak’Olona tsy mba tonga hotompoina fa mba hanompo,
ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.