Vakiteny voalohany

Bokin’i Siràka (Ekl. 17, 19-24)

Miverena amin’ny Tompo ary mialà amin’ny tsy fahamarinana.

Izay mibebaka, dia eken’Andriamanitra ny hiverenany,
ary izay very fanantenana, alany alahelo.
Mitodiha ny Tompo ianao, ka mialà amin’ny fahotana;
mivavaha eo anoloan’ny tavany, ary ampahavitsio ny ratsy natao.
Miverena amin’ny Avo indrindra, mialà amin’ny tsy fahamarinana,
ary ankahalao mafy izay vetaveta.
Iza no hidera ny Avo indrindra, any amin’ny Seoly,
hisolo ny velona, sy izay nanome voninahitra Azy?
Ny olona efa maty tsy mahazo midera fa toy ny tsinontsinona izy,
fa ny velona sy ny salama no midera ny Tompo.
Endrey ny halehiben’ny famindram-pon’ny Tompo!
sy ny fangoraham-pony an’izay mibebaka aminy!

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 31, 1-2. 5. 6. 7.

Mifalia ao amin’ny Tompo, miravoa, ry olo-marina.

Sambatra izay afa-keloka sy voavela ota!
Eny, sambatra ny olona
tsy itanan’ny Tompo hadisoana,
sy tsy misy fitaka eo am-bava!

Koa nitsorako taminao ny otako;
tsy nafeniko Anao ny hadisoako.
Miaiky heloka aho, Tompo! hoy aho:
dia nesorinao ny hadisoana sy ny ota!

Koa amin’ny andro fahoriana,
ny mpivavaka rehetra hidera Anao;
raha ho tondraka ny ranobe,
izy tsy mba ho trany!

Ianao no fiereko
miaro amin’ny loza;
izaho hodidininao
hiram-pahafahana!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampihiratra ny masom-panahintsika
mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 17-27)

Amidio ny fanananao, dia avia manaraka Ahy.

Tamin’izany andro izany, nony nivoaka handeha i Jesoa,
dia nisy lehilahy nidodododo nandohalika teo anatrehany
ka nanontany Azy hoe:

“Ry Mpampianatra tsara ô,
inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?”

ary hoy i Jesoa taminy:

“Nahoana no ataonao hoe tsara Aho?
Tsy misy tsara afa-tsy Andriamanitra irery.
Fantatrao ny didy hoe:
Aza mijangajanga;
aza mamono olona;
aza mangalatra;
aza mety ho vavolombelona tsy marina;
aza manambaka;
manajà ny rainao aman-dreninao.”

Dia hoy ny navaliny Azy:

“Ry Mpampianatra ô,
hatra ny fony kely aho
no efa nitandrina izany rehetra izany.”

Ary nijery azy i Jesoa,
dia tia azy ka nanao taminy hoe:

“Zavatra iray loha no tsy ampy aminao:
mandehana, amidio ny fanananao rehetra ka omeo ny mahantra,
dia hanan-drakitra any an-danitra ianao,
ary rahefa izany dia avia hanaraka Ahy.”

Nampahory azy izany teny izany fa nanan-karena be izy,
ka niala tamin’alahelo.
Ary nijerijery nanodidina i Jesoa
ka nanao tamin’ny mpianany hoe:

“Akory ny hasarotry ny hidiran’ny mpanan-karena
amin’ny Fanjakan’Andriamanitra!”

Nony gaga tamin’izany teny izany ny mpianany,
dia hoy indray i Jesoa taminy:

“Sarotra, anaka,
ny hidiran’izay miankina amin’ny harena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.
Moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodifanjaitra
noho ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.”

Vao mainka gaga izy ireo ka nifampilaza hoe:

“Iza àry no mety ho voavonjy?”

Fa nojeren’i Jesoa izy ka nilazany hoe:

“Amin’ny olombelona, zava-tsy vitany izany;
tsy mba toy izany amin’Andriamanitra,
satria mahavita ny zavatra rehetra Andriamanitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...