Vakiteny voalohany
Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 11, 1-7)
Ny finoana no ahafantarantsika fa ny Tenin’Andriamanitra no namoronana izao tontolo izao.
Ry kristianina havana,
ny finoana no santatry ny zavatra antenaina,
sy porofon’ny zavatra tsy hita.
Nanam-pinoana ny Ntaolo ka izany no nahatsara laza azy.
Ny finoana no ahafantarantsika fa ny Tenin’Andriamanitra
no namoronana izao tontolo izao,
fa tsy mba zavatra hita no nanaovana izao zava-miseho izao.
Ny finoana no nanoloran’i Abela tamin’Andriamanitra
sorona tsaratsara kokoa noho ny an’i Kaina,
sy nilazana azy hoe marina,
fa nankatoavin’Andriamanitra ny fanatitra nataony;
ary noho izany ihany koa, na dia maty aza izy,
dia mbola miteny ihany.
Ny finoana no namindrana an’i Enôka tsy hiharan’ny fahafatesana,
ka tsy hita intsony izy fa nafindran’Andriamanitra,
ary talohan’ny namindrana azy dia voalaza
fa nankasitrahan’Andriamanitra izy.
Raha tsy misy finoana, dia tsy misy ahazoana sitraka amin’Andriamanitra koa:
satria izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy hino fa misy Izy,
sady mamaly soa izay mitady Azy.
Ny finoana no nandrafetan’i Nôe ny sambo fiara hamonjena ny fianakaviany,
fa natahotra izy nony efa nilazan’Andriamanitra ny zavatra mbola tsy hita;
ary izany no nanamelohany an’izao tontolo izao
sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana izay azo amin’ny finoana.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo (Sal. 144, 2-3. 4-5. 10-11)
Misaotra ny Anaranao aho, ry ilay Mandrakizay.
Misaotra Anao isan’andro aho,
sy midera ny Anaranao mandrakizay!
Lehibe ny Tompo ary mendri-dera fatratra;
tsy azo takarina ny halehibeny!
Ny taranaka mifampigaga ny zava-bitanao,
sy mankalaza ny asanao mahery,
manambara ny harevaky ny voninahitrao,
mitantara ny asanao mahagaga.
Tompo ô, midera Anao ny asanao rehetra!
Misaotra Anao ny mpivavaka aminao!
Miresaka ny voninahitry ny fanjakanao izy ireo,
sy miteny ny asanao mahery.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ry Tompo,
ary ampianaro ahy ny Fitsaranao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 1-12)
Niova tarehy teo anatrehan’izy ireo Izy.
Tamin’izany andro izany,
nalain’i Jesoa i Piera sy i Jakôba ary i Joany
ka nentiny nitokana tany an-tendrombohitra avo anankiray,
dia niova tarehy teo anatrehany Izy.
Tonga nanjelajelatra sady fotsy hoatry ny oram-panala ny fitafiany,
ka tsy misy mpamotsy lamba mahafotsy toy izany ety an-tany.
Ary niseho tamin’izy ireo i Elia sy i Môizy,
sady niresaka tamin’i Jesoa.
Dia niteny i Piera ka nanao tamin’i Jesoa hoe:
“Raby ô, mahafinaritra ny mitoetra aty;
aoka hanao lay telo izahay, ny iray ho Anao,
ny iray ho an’i Môizy, ary ny iray ho an’i Elia.”
Fa tsy fantany izay nolazainy,
satria raiki-tahotra loatra izy ireo.
Tamin’izay dia nisy rahona nanarona azy;
ary nisy feo avy tao amin’io rahona io nanao hoe:
“Ity no Zanako malalako indrindra, henoy Izy.”
Niaraka tamin’izay dia nijerijery manodidina izy ireo,
nefa tsy nahita olona intsony, fa i Jesoa irery sisa teo aminy.
Nony nidina avy tany an-tendrombohitra izy ireo,
dia norarany tsy hilazalaza amin’olona ny zavatra vao hitany,
mandra-pitsangan’ny Zanak’Olona ho velona.
Dia notanany tao am-pony izany zavatra izany,
sady mifampaka saina izy ny amin’izay hevitr’izany hoe mitsangan-ko velona.
Ary nanontany Azy izy ireo nanao hoe:
“Ahoana àry no ilazan’ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna
fa tsy maintsy ho avy aloha i Elia?”
Dia hoy i Jesoa hoe:
“Tsy maintsy ho avy aloha i Elia sy hanavao ny zavatra rehetra;
fa ahoana kosa no nanoratana ny amin’ny Zanak’Olona
fa tokony hijaly mafy Izy sy hotevatevaina izaitsizy?
Ary lazaiko aminareo fa efa tonga sahady i Elia,
sady nataon’ny olona taminy izay sitraky ny fony,
araka ny nanoratana azy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.