Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany 56, 1-3a. 6-8

Ny tranoko hatao hoe: Trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra.

Izao no lazain’ny Tompo:
Tandremo ny hitsiny ary araho ny rariny,
fa efa akaiky ny famonjeko, ary efa hiseho ny fahamarinako.
Sambatra ny olona hanao izany,
sy ny zanak’olombelona hifikitra mafy amin’izany,
ka hitandrina ny sabata, tsy mandika azy,
sy hifehy ny tanany tsy hanao ratsy akory!
Aoka ny hafa firenena efa nifikitra tamin’ny Tompo tsy hanao hoe:

“Hoesorin’ny Tompo marina aho,
tsy ho isam-bahoakany.”

Ary ny hafa firenena izay mifikitra amin’ny Tompo
mba hanompo Azy sy ho tia ny Anarany ary ho mpanompony;
izay rehetra mitandrina ny sabata fa tsy mandika azy,
sy miraikitra mafy amin’ny fanekeko,
dia hoentiko ho ao an-tendrombohitra masina,
sy hampifaliako ao an-tranoko fivavahana,
hankasitrahina eo ambony ôtely ny sorony dorana aman-tsorony:
fa ny tranoko hatao hoe:

“Trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra”

— teny marin’ny Tompo — izay mamory ny lasan-ko babo amin’i Israely!
Mbola hamory ny sasany koa Aho ho eo aminy,
hanampy ireo efa voavory sahady.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 66, 2-3. 5. 7-8

Hidera Anao ny vahoaka, ry Andriamanitra, hidera Anao ny vahoaka rehetra.

Hiantran’Andriamanitra anie isika hotsimbininy;
ka hataony mamiratra eo amintsika ny tavany.
Dia ho fantatry ny olona eran-tany ny herinao,
ka hanerana ireo firenen-drehetra ny vonjinao.

Aoka hifaly sy hiantsa ny firenena isan-tokony,
fa Ianao dia mitsara azy rehetra ireny ara-drariny.
Fa Ianao dia mitsara vahoaka araka ny hitsiny
sy manjaka amin’ireo firenen-drehetra isan-tokony.

Fa ny tany volena tsy misy izay tsy mamokatra.
Andriamanitra mantsy Andriamanitsika: mitsimbina.
Enga anie ka hitsimbina antsika hatrany Andriamanitra,
ka ho masina eran’ny vazan-tany ny Anarany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampodio izahay, ry Tompo Andriamanitray ô,
ny tavanao aseho dia ho voavonjy izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany 5, 33-36

I Joany dia jiro nirehitra sy nazava.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny Jody nanao hoe:

“Naniraka tany amin’i Joany ianareo, ary nanambara ny marina izy.
Tsy dia ny fanambarana avy amin’ny olona anefa no iankinako,
fa ny mba hahavoavonjy anareo no hilazako izany.
I Joany dia jiro nirehitra sy nazava,
ka nahafinaritra anareo sy nifalianareo vetivety ny fahazavany.
Fa manana fanambarana manoatra ny an’i Joany Aho,
satria ny asa nomen’ny Ray hovitaiko sady ataoko tokoa
no manambara fa iraky ny Ray Aho.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...