Vakiteny voalohany

Bokin'i Izaia Mpaminany 11, 1-10

Hotsarainy ara-drariny ny madinika

Amin’izany andro izany,
hisy rantsana hipoitra amin’ny fototr’i Jese,
ary hisy solofo haniry avy amin’ny vahany.
Hitoetra eo aminy ny Fanahin’ny Tompo,
dia ny Fanahy fahendrena amam-pahazavan-tsaina,
Fanahy fifidianana amam-paherezana,
Fanahy fahalalana amam-pahatahorana ny Tompo.
Ny fahatahorana ny Tompo no fototry ny fahafinaretany.
Tsy hitsara araka izay miseho amin’ny masony izy,
na hanapaka araka izay ren’ny sofiny.
Ny madinika hotsarainy ara-drariny,
ary ny mpietry eto an-tany
dia hamoahany teny fitsarana araka ny marina.
Hikapoka ny tany amin’ny tsorakazon’ny vavany Izy,
ary hamono ny ratsy fanahy amin’ny fofon’ain’ny molony.
Fahamarinana no hisikinany,
ary fatra-po mahatoky no ho fehikibony.

Ny amboadia hiara-mitoetra amin’ny zanak’ondry,
ny pantera hiara-mandry amin’ny zanak’osy;
ny zanak’omby sy ny liona aman’omby mifahy,
hiray toerana, ka zaza no hiroaka azy.
Ny ombivavy sy ny orsa handeha ho amin’ny tanim-bilona iray,
ny zanak’ireo, hiray trano fandriana;
ary ny liona hihinam-bilona hoatra ny omby.
Ny zaza minono hilalao eo amin’ny lavaky ny menarana;
ary ny zaza vao misara-nono
hanao ny tanany ao andavaky ny baziliky.
Tsy hisy hampidi-doza na handrava,
eran’ny tendrombohitra masina,
satria ny tany ho feno fahalalana ny Tompo,
toy ny fanambanin’ny ranomasina feno ny rano manarona azy.
Izao no hiseho amin’izany andro izany:
Ny solofon’i Jese,
voatsangana ho fanevan’ny vahoaka samihafa,
dia hotadiavin’ny firenena
ary ho be voninahitra ny fonenany.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 71, 2. 7. 8. 12-13. 17

Ny rariny hamony amin’ny androny, ary ny fiadanana hitombo raha mbola eo ny volana

Andriamanitra ô, omeo ny fahefanao ny mpanjaka,
omeo ny fahamarinanao ity taranak’andriana:
ka ny olonao hotsarainy ara-drariny,
ny malahelonao araka ny hitsiny.
Ny rariny hamony amin’ny androny,
ny fiadanana hiroborobo mandavan-taona.
Ny fifehezany, dia hatramin’ny Ranomasina
ka tonga amin’ny Ranomasina;
manomboka amin’ilay Ony ka mipàka amin’ny faran’ny tany.

Izy hanafaka ny ory mitoloko
sy ny madinika tsy manan-kanampy;
ny osa, ny mahantra hotsimbininy,
ny ain’ny malahelo hovonjeny.
Ny anarany haharitra toy ny masoandro,
ho voatso-drano mandrakizay.
Izy ho fitahiana ny fokon’ny tany tontolo,
hataon’ny firenena rehetra hoe “Sambatra!”

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma 15, 4-9

I Kristy no hahatonga ny olombelona rehetra ho voavonjy

Ry kristianina havana,
izay rehetra voasoratra taloha
dia natao ho fianarantsika,
mba hananantsika fanantenana amin’ny fandeferana
sy ny fanalana alahelo
avy amin’ny Soratra Masina.
Andriamanitry ny fandeferana sy ny fanalana alahelo anie
hampiray hevitra anareo araka an’i Kristy Jesoa,
mba hiarahanareo mankalaza
an’Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika,
amin’ny fo iray sy vava iray.

Koa mifandraisa ianareo,
tahaka ny nandraisan’i Kristy anareo,
mba ho voninahitr’Andriamanitra.
Fa i Kristy, dia lazaiko marina,
fa natao mpandraharaha ny voafora
mba haneho ny fahamarinan’Andriamanitra,
amin’ny fanatanterahana ny teny napetraka
tamin’ny razan’izy ireo;
ary ny Jentily kosa
dia mankalaza an’Andriamanitra noho ny famindram-pony,
araka ny voasoratra hoe:
Izany no hiderako Anao any amin’ny Jentily
sy hankalazako ny Anaranao.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny alehany;
dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 3, 1-12

Mibebaha ianareo fa efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra

Tamin’izany andro izany,
dia niseho i Joany Batista,
nitory teny tany an’efitr’i Jodea nanao hoe:

“Mibebaha ianareo,
fa efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra”.

Izy no ilay voalazan’i Izaia mpaminany hoe:
Re ny feon’ilay miantso any an’efitra hoe:

“Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny alehany”.

Akanjo volon-drameva no fitafian’io Joany io;
fehikibo hoditra no tamin’ny andilany,
ary valala sy tantely remby no hanina fihinany.
Ary nankany aminy daholo i Jerosalema sy i Jodea rehetra
mbamin’ny tany manodidina an’i Jordany;
ka nony efa niaiky ny fahotany izy ireo,
dia nataony batemy tao amin’ny onin’i Jordany.
Ary raha nahita ny Farisianina sy ny Sadoseanina betsaka
nanatona ny bateminy izy, dia hoy izy taminy:

“Ry taranaky ny menarana,
iza no nanoro hevitra anareo
handositra ny fahatezerana ho avy?
Koa manaova àry asa fibebahana mendrika tsara;
ary aza manao anakam-po hoe:

“Manana an’i Abrahama ho rainay izahay”;

fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra
mahay manangana zanaka ho an’i Abrahama
avy amin’ireto vato ireto.
Efa eo am-poto-kazo sahady ny famaky:
koa ny hazo rehetra tsy mamoa voa tsara
dia hokapaina, ka hatsipy any anaty afo.

Izaho dia manao batemy anareo amin’ny rano,
ho amin’ny fibebahana;
fa Ilay ho avy aoriako no mahery kokoa noho izaho,
ary tsy mendrika hivimbina ny kapany akory aho;
Izy no hanao batemy anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo;
eny an-tanany ny fikororohany
ary hodioviny tsara ny famoloany,
ka ny variny hangoniny any an-tsompitra,
fa ny mololo kosa
hodorany any amin’ny afo tsy mety maty”.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 15 nôvambra 2024

  • Manohina ny fon'i Jesoa ny fangirifiriantsika Malagasy, hoy ny Hafatry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tao aorian'ny fivorian'izy ireo...
  • Voafidy ho Filohan'ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan'ny Diôsezin'i Morondava...
  • Mandray anjara lehibe amin'ny fampandrosoana ny fiaraha-monina ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara, hoy i Mgr Fridolin Ambongo Besungu, Arsevekan'i Kinshasa, Filohan'ny Fiombonan'ny Fivondronamben'ny Eveka aty Afrika sy Madagasikara...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...