Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 7, 10-14)

Indro hanana anaka ny Virjiny.

Tamin’izany andro izany,
dia niteny tamin’i Akaza ny Tompo nanao hoe:

“Mangataha famantarana amin’ny Tompo Andriamanitrao;
mangataha izany, na any amin’ny faralavaky ny Seoly,
na any amin’ny havoan’ny lanitra.”

Fa hoy i Akaza:

“Tsy hangataka aho,
tsy haka fanahy ny Tompo aho.”

Ka hoy i Izaia:

“Mihainoa, ry taranak’i Davida:
Mbola tsy ampy anareo va ny mahasasatra ny olombelona,
no dia mbola mahasasatra an’Andriamanitra koa ianareo?
Noho izany dia Tenan’ny Tompo no hanome famantarana anareo:
Indro hanana anaka ny Virjiny,
ka hiteraka Zazalahy,
ary ny Anarany hataony hoe Emanoela”,

izany hoe, amintsika Andriamanitra.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo (Sal. 39, 7-8a. 8b-9. 10. 11)

Inty aho, ry Tompo, tonga hanao ny sitrakao.

Tsy sitrakao ny sorona sy ny fanatitra:
ny sofiko manko nosokafanao.
Tsy misy ilainao mihitsy
izay sorona dorana sy fanonerana;
ka hoy Aho hoe: Inty Aho tamy.
Voasoratra amin’ny boky ny momba Ahy:
ny manao ny sitrakao no mamiko;
ny lalanao, ry Tompo, no ato am-poko.

Ny fahamarinanao, ry Tompo,
notorìko tamin’ny fiangonana;
ny molotro tsy nakomboko:
fantatrao tsara izany.

Tsy nafeniko tato anatiko
ny toetranao mahatoky;
nambarako ny fiangonana
itony fitiavana!

Vakiteny faharoa

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 10, 4-10)

Inty Aho tonga hanao ny sitra-ponao.

Ry kristianina havana,
aiza izay ran-janak’omby sy ran’osilahy
no hahafaka ny fahotana?
Noho izany indrindra,
nony niditra tamin’izao tontolo izao i Kristy
dia nanao hoe:

“Tsy nilainao ny sorona sy ny fanatitra,
fa namboatra vatana ho Ahy Ianao;
tsy sitrakao ny sorona dorana sy ny sorona noho ny ota,
ka hoy Aho hoe:
Inty Aho tonga
— fa Izaho no voalaza ao amin’ny horonam-boky —
hanao ny sitra-ponao, Andriamanitra ô!”

Voalohany aloha lazainy hoe:

“Samy tsy ilainao sy tsy sitrakao
na ny fanatitra na ny sorona dorana,
na ny sorona noho ny ota”

— nefa dia zavatra natolotra araka ny Lalàna avokoa ireny; —
manaraka izany tohiziny hoe:

“Inty Aho tonga hanao ny sitra-ponao”,

ka manafoana ny voalohany Izy amin’izany,
mba hanorenany ny faharoa,
ary ny herin’izany sitra-po izany
no nanamasinana antsika,
tamin’ny nanoloran’i Jesoa Kristy ny Vatany indray mandeha monja.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Voninahitra ho Anao, ry Kristy Tenin’Andriamanitra.

Tonga nofo ny Teny ka nonina taty amintsika;
ary nibanjina ny voninahiny izahay.

Voninahitra ho Anao, ry Kristy Tenin’Andriamanitra.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 26-38)

Indro hitoe-Jaza ianao, ary hiteraka Zazalahy.

Tamin’izany andro izany,
dia nirahin’Andriamanitra ny Anjely Gabriely
ho any amin’ny tanàna anankiray any Galilea atao hoe Nazareta,
ho any amin’ny Virjiny anankiray
fofombadin’ilay lehilahy atao hoe Jôsefa, taranak’i Davida,
ary ny anaran’ilay Virjiny dia Maria.

Ary nony niditra tao aminy ilay Anjely dia nanao hoe:

“Arahaba, ry ilay feno hasoavana;
ny Tompo ao aminao;
nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao.”

Taitra izy nahare izany,
ka nieritreritra izay tokony ho hevitr’izany fiarahabana izany.
Fa hoy ny Anjely taminy:

“Aza matahotra, ry Maria,
fa sitrak’Andriamanitra ianao.
Ary indro hitoe-Jaza ianao ka hiteraka Zazalahy,
ary Jesoa no hataonao anarany.
Ho lehibe Izy ka hatao hoe Zanaky ny Avo indrindra;
dia homen’Andriamanitra ny fiketrahan’i Davida rainy Izy,
ka hanjaka mandrakizay amin’ny taranak’i Jakôba,
ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany.”

Fa hoy i Maria tamin’ilay Anjely:

“Ahoana no hahatongavan’izany,
fa tsy mahalala lahy aho?”

Hoy ny Anjely namaly azy:

“Ny Fanahy Masina no ho tonga ao aminao,
ary ny herin’ny Avo indrindra hanaloka anao;
noho izany, dia hatao hoe Zanak’Andriamanitra ny Masina haterakao.
Ary indro, i Elizabeta rahavavinao
dia efa mitoe-jaza koa,
na dia efa antitra aza,
ary efa mandray enina izy izao
ilay natao hoe momba,
fa tsy hisy tsy ho hain’Andriamanitra atao.”

Dia hoy i Maria:

“Inty aho ankizy vavin’ny Tompo,
aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao.”

Dia niala teo aminy ny Anjely.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...