Vakiteny voalohany

Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ezek. 34, 11-12. 15-17)

Ny aminareo, ry ondriko, indro Aho hitsara, hanavaka ny ondry amin’ny ondry hafa.

Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra:
Indro Izaho dia Izaho ihany no hiahy ny ondriko sy handinika azy.
Toy ny fandinidiniky ny mpiandry ny ondriny,
amin’ny andro hitsanganany eo amin’ireo ondriny mihahaka,
no handinidinihako ny ondriko;
ary hoesoriko izy ireo,
hiala any amin’ny tany rehetra efa nielezany tamin’ny andro mandrahona sy manjombona.
Izaho no hiandry ny ondriko,
Izaho no hampandry azy;
— teny marin’ny Tompo Andriamanitra.
Ny very hotadiaviko;
ny nania, haveriko;
ny naratra, hotsaboiko;
ary ny marary, hohatanjahiko;
fa ny matavy sy ny matanjaka kosa haringako;
handrasako ara-drariny izy ireo.
Ary ny aminareo, ry ondriko,
izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra:
Indro Aho hitsara,
hanavaka ny reniondry sy ny reniondry;
hanavaka ny ondralahy sy ny osilahy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 22, 1-2a. 2b-3. 5-6

Sambatra anie aho, ka sambatra manana an’i Iaveh ho Mpiaro.

Ny Tompo miandry ahy:
tsy orin’inoninona aho,
fa ampiraotiny amin’ny vilo-maitso.

Entiny amin’ny rano manala sasatra,
velombelominy noho ny Anarany,
tarihiny amin’ny lala-marina.

Mandroso sakafo ho ahy Ianao
eo anoloan’ny rafiko:
ny loha andrarahanao ilo,
ny kapoaka ataonao safomorona.

Hasambarana sy fitiavana
no manjohy amin’ny fiainana tontolo;
ny tranon’ny Tompo no ho fonenako
amin’ny taona mifandimby.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 15, 20-26a. 28)

Atolony an’Andriamanitra Ray ny Fanjakana, mba ho ao amin’Andriamanitra avokoa ny zavatra rehetra.

Ry kristianina havana,
efa nitsangan-ko velona tokoa i Kristy
ary Izy no santatr’izay efa nody mandry;
satria olona iray no niavian’ny fahafatesana,
ka dia Olona iray koa no iavian’ny fitsanganan-ko velona;
ary toy ny ahafatesan’ny olon-drehetra ao amin’i Adama
no hahaveloman’ny olon-drehetra ao amin’i Kristy,
fa manaraka ny laharany avy:
i Kristy no santatra,
dia izay an’i Kristy amin’ny andro hiaviany.
Rehefa afaka izany, tonga ny farany,
dia rahatrizay hatolony amin’Andriamanitra sy amin’ny Ray ny Fanjakana,
rehefa levony avokoa ny fifehezana sy ny fahefana ary ny hery rehetra.
Satria tsy maintsy manjaka Izy
ambara-panaony ny fahavalony rehetra eo ambanin’ny tongony.
Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena.
Koa rehefa nampanekena Azy ny zavatra rehetra,
na Izy Zanaka aza dia hanaiky izay nampanaiky Azy ny zavatra rehetra,
mba ho zavatra rehetra amin’izy rehetra Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo, hosoavina anie ny fanjakan’i Davida Raintsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 25, 31-46)

Hipetraka eo ambony seza fiandrianan’ny voninahiny Izy, ary hanavaka azy ireo.

Tamin’izany andro izany
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Rehefa ho avy amim-boninahitra ny Zanak’Olona
otronin’ny Anjely rehetra,
dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy;
ho vory eo anatrehany ny firenena rehetra,
ary Izy hanavaka azy tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy:
ny ondry moa hataony eo ankavanany;
ary ny osy kosa eo ankaviany.
Amin’izay ny Mpanjaka dia hilaza amin’izay eo ankavanany hoe:

‘Avia ianareo, ry nohasoavin’ny Raiko,
handova ny Fanjakana izay voavoatra ho anareo
hatrizay nahariana izao tontolo izao.
Fa noana Aho, nomenareo hanina;
nangetaheta Aho, nomenareo hosotroina;
nivahiny Aho, nampiantranoinareo;
tsy nitafy Aho, notafianareo,
narary Aho, novangianareo;
tany an-tranomaizina Aho, notsidihinareo’.

Ary dia hamaly Azy ny marina ka hanao hoe:

‘Tompo,
oviana no hitanay noana Ianao ka nomenay hanina,
nangetaheta ka nomenay hosotroina?
Oviana no hitanay nivahiny Ianao ka nampiantranoinay,
na tsy nitafy ka notafianay?
Oviana no hitanay narary Ianao
na tany an-tranomaizina ka novangianay?’

Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe:

‘Lazaiko marina aminareo
fa isaky ny nanao izany tamin’ny anankiray
amin’ireto havako kely indrindra ireto ianareo,
dia nanao izany tamiko’.

Ary dia hiteny amin’ireo eo ankaviany kosa indray Izy ka hanao hoe:

‘Mialà amiko ianareo, ry voaozona,
mba ho any amin’ny afo mandrakizay,
izay voavoatra ho an’ny devoly sy ny anjeliny.
Fa noana Aho, tsy nomenareo hanina;
nangetaheta Aho, tsy nomenareo hosotroina;
nivahiny Aho, tsy nampiantranoinareo;
tsy nitafy Aho, tsy notafianareo;
narary Aho, sy tany an-tranomaizina tsy novangianareo’.

Dia hamaly Azy koa ireo hanao hoe:

‘Tompo,
oviana no hitanay noana Ianao, na nangetaheta,
na nivahiny, na tsy nitafy, na narary,
na tany an-tranomaizina, ka tsy namonjy Anao izahay?’

Fa hovaliany hoe:

‘Lazaiko marina aminareo
fa isaky ny tsy nanao izany tamin’ny anankiray
amin’ireto kely indrindra ireto ianareo,
dia tsy nanao izany tamiko koa’.

Dia ho any amin’ny fijaliana mandrakizay ireo,
fa ny marina kosa,
ho any amin’ny fiainana mandrakizay”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...