Alarobia 27 oktobra 2021 — Herinandro fahatelopolo mandavantaona — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 13, 22-30

Izao tontolo izao no nahatongavan’i Kristy mba hovonjena, ary ny olombelona rehetra no nomen”Andriamanitra Mpamonjy. Asa iombonany amintsika olombelona anefa io famonjena antsika io ka ilàna fahavononana handray sy hiaina izany dieny ety an-tany. Io no valintenin’i Kristy tamin’ity olona iray nanontany azy : "Mikeleza aina hiditra ny varavarana ety raha te ho voavonjy". Tsy ny zavatra rehetra anefa na ny fanaon’ny maro na ny fahazarana fotsiny ihany no hahazoantsika ny famonjena, fa ny làlana atoron’i Kristy, dia ny handà tena, ny hitondra ny hazofijaliana ary hanara-dia Azy. Ohatra nampianariny hitarihana antsika rehetra ho any amin’ny famonjena izany.

Tery ny varavarana ka tsy afa-mitondra na inona na inona any isika, afa-tsy izay antoka mampizotra antsika any dia : ny hatsaram-panahy sy ny hatsaran-toetra, ny fahaiza-miaina vokatry ny finoana an’Andriamanitra. Betsaka no hahatsiaro amin’ny farany, betsaka no hangataka ho vohana varavarana sy hampatsiahy ny fitoriana natao azy, fa izay nahay nandray sy niaina izany teo amin’ny andavanandrom-piainany no ho tafiditra fa ny sisa any ivelany.

Tsy isika velively no mamaritra ny famonjena antsika na hanao izay hahazoantsika izany fa izay atoron’i Kristy sy ampianariny antsika isan’andro. Miezaha mba ho anisan’ireo mpiombona anjara amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Iaino ny finoana ary itokio Andriamanitra toy nataon-dry Abrahama sy Izaaka ary Jakoba fa taranany isika ary mpiara-mandova aminy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...