Talata 26 oktobra 2021 — Herinandro fahatelopolo mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 13, 18-21
Ity fanoharana ambaran’i Jesoa tantarain’i Masindahy Lioka momba ny Fanjakan’Andriamanitra ity dia ilàna faharetana sy fanorenana avy amintsika mba hahatanteraka azy. Zavatra roa samy hafa ny voatsinapy sy ny lalivay fa mitovy fiasa sy tanjona tratrarina. Mitombo tsikelikely mba ho tonga lehibe. Isika no tian’i Kristy ambara eto satria, isika no tany hanirian’ny voa sy koba hampitomboina ho voninahitr’Andriamanitra, ho tonga Fanjakany. Ary ny lalivay sy voatsinapy dia tsy inona fa ireo nafafin’Andriamanitra ao am-pontsika, ireo fanomezana sarobidy noraisintsika taminy na ara-batana na ara-tsaina na ara-panahy, izay ilaina ampitomboina tsikelikely mba hahamatotra antsika, ho olon-dehibe, tsy miovaova, hanjakan’Andriamanitra tanteraka.
Efa nandray ny finoana isika, voa sy lalivain’ny fanjakan’Andriamanitra. Io finoana io no ifandraisantsika amin’Andriamanitra, io finoana io no handresentsika ny ratsy sy iainantsika ny maha zanak’Andriamanitra antsika ary ikatsahantsika ny sitrapony mba hiharihary fa mampanjaka an’Andriamanitra tokoa isika.
Maro mpanohatra anefa ny voa nafafy ao anatintsika : eo ny sitrapo tsy hanaiky izay takina amintsika, ny fanadinoana ireo andrasana amintsika, ny fanariana sy ny tsy fiezahana mba ifanarahan’ny fiainantsika amin’izay sitrak’Andriamanitra. Etsy andaniny koa, ny tsy mahari-pery, hizaka ny anjara fijaliana izay manefy antsika tsikelikely ho tonga olon-dehibe amin’ny finoana, ho matotra ara-panahy ka sahy hitsipaka izay tsy araka an’Andriamanitra. Endrika tsy mahatanteraka ny fanjakan’Andriamanitra ao amintsika ireny, ilàna ezaka mitohy.