Alatsinainy 25 oktobra 2021 — Herinandro fahatelopolo mandavantaona — Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 13, 10-17

Mampiharihary ny maha mpanalàlana antsika an’i Kristy, mamaha sy manafaka ireo fatorana manakana ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra sy mampianatra antsika ny kendreny amin’ireo lalàna nomeny antsika ity Evanjely ity.

Tsy vitan’ny hoe mampianatra fotsiny i Kristy fa maneho ny heriny sy ny fahefany amin’ny fanafahany antsika olombelona voafatotry ny demony mba hibanjinantsika an’Andriamanitra. "Mikely aina lalandava manao izay hahavery ny olona any amin’ny afobe ny demony", ary rehefa azony sy manaiky ary manompo azy dia ataony miondrika sy manaiky azy tanteraka tsy hahita na inona na inona, tsy afaka hiandrandra ny lanitra akory. Izany no nanjo ity vehivavy ity nandritra ny taona maro. Nofatoran’ny demony mba ho azy. Aza maka fanahy ny tenantsika, aza omena irika ao amintsika ny demony fa tsy nohariana ho azy isika. Manatona an’i Kristy fa Izy ihany no afaka hamaha ny fatorana mangeja antsika vokatry ny fahotana. Izy ihany no afaka hampitraka antsika hibanjina ny lanitra sy hitondra antsika any amin’Andriamanitra.

Ampitomboy àry, ny finoantsika Azy ary ento eo Aminy ny fatorana mahazo antsika mba handraisantsika Azy Andriamanitra sy hiainantsika ny didiny mitondra fahafahana sy fahavelomana marina.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...