Talata 12 oktobra 2021 — Fetin'i Jan Beyzym, Olontsambatra — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 40-45

Mitantara ny fanasitranana nahazo an’ity lehilahy azon’ny habokabana ny Evanjely anio. Mifanaraka amin’ny fetin’i Jean Beyzim, Olontsambatra, ilay apostolin’ny boka tao Maràna Fianarantsoa moa izany. Lesona telo no azontsika tsoahana avy amin’ny alalan’ity tantaram-pahasitranana nataon’i Jesoa Kristy ity : ka ny voalohany amin’izany dia toy izao : resy avokoa ireo karazan’aretina mampatahotra antsika olombelona rehefa mikasika ny fiainantsika, mikasika ny aty fanahintsika i Jesoa Kristy, ka mitarika antsika hilaza hoe : "Efako ny zava-drehetra amin’ilay mankahery ahy".

Lesona faharoa : asain’i Jesoa Kristy haka tahaka azy isika. Izany hoe, asainy ho sahy hikasika ireo marary eo akaikintsika ka tsy hatahotra ny hifindran’ny aretina velively. Tsy resaka Corona no tiana ho lazaina etoana, fa ny hoe aoka isika mba tsy hitsahatra ny hitia ireo marary sy manakaiky an’ireo ailikiliky ny fiaraha-monina noho ny fitondran-tenany na noho izy solafa-mamindra teo amin’ny fiainana ka ny fanakaikezantsika azy ireo no fomba mendrika hahafahan’izy ireo ho tafiditra indray eo anivon’ny fiaraha-monina ; asaina isika mba hanome lanja ny fahamendrehana amin’ny maha olona azy ireo. Endrika anehoantsika ny fanetre-tenantsika izany satria io fanekena ny hafa amin’ny maha izy azy io no fanetre-tena nasehon’i Jean Beyzim, Olontsambatra, ka nahatonga azy ho an’isan’ireo mponina any an-danitra izao.

Lesona farany, adidintsika ny manampy ireo marary mba ho afaka hitory ihany koa ny Vaovao Mahafaly satria adidin’ny kristianina tsirairay, noho ny batemy noraisiny izany. Mahomby kokoa anefa izany asam-pitoriana izany raha toa ka avelantsika hokasihin’Andriamanitra mivantana izy ireny. Noho izany, ambarao azy ireo i Jesoa Kristy ; torio ny fanantenana miaraka amin’Andriamanitra izy ireo, avelao ihany koa izy ireo mba haneho ny hafalian’ny finoana an’Andriamanitra ; henoy ny fijoroany ho vavolombelona. Fitaovana iray tsy azo atao antsirambina ny fampihainoana azy ny radio katolika, ny famakiana eo anatrehany ny Baiboly, ny fakana pretra hanatitra ny sakramenta na ny famangiana azy.

Raha fintinina dia hoe : omeo sehatra ireo marary mba ho afaka hitory an’i Kristy na dia ao anatin’ny aretina aza izy ireo, fa mazàna no mandresy lahatra aoka izany ny asam-pitoriany satria miainga avy amin’ny andram-piainany tamin’Andriamanitra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...