Alatsinainy 11 oktobra 2021 — Herinandro fahavalo amby roapolo mandavantaona — Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 29-32

Tahaka ny kristianina rehetra, mila porofo isika mba hahazoantsika antoka kokoa raha avy amin’Andriamanitra tokoa ny zava-mitranga iray na tsia. Mila famantarana isika raha toa ka marina izay lazain’ny olona amintsika na lainga. Fa ireto mpihaino an’i Jesoa kosa, efa lasa lavitra mihitsy ny fangatahan’izy ireo : mangataka famantarana tsy azo toherina amin’i Jesoa izy ireo mba hanaporofoana raha avy amin’Andriamanitra marina Izy na tsia. Diso tafahoatra loatra ny fangatahana satria mifototra amin’ny fahagagana sy fahaizana manao rindran-kevitra no tadidiaviny fa tsy ampy azy ireo intsony ny finoana. Mba nangataka famantarana ihany koa ry Zakaria sy i Masina Maria fa saingy tsy adinonin’izy ireo velively ny nametraka ny fitokiana amin’Andriamanitra fa tsy amin’ny porofo akory.

Ao amin’ny Evanjely anio, tsy hoe nandà ny tsy hanome izany porofo izany i Jesoa. Nanome Izy, fa porofo avo lenta satria ny "fitsanganan-ko velony" no porofo, izany hoe ny fiainany, ny maha izy azy, dia efa porofo azo tsapain-tànana fa famantarana ny fisian’Andriamanitra eo afovoantsika Izy.

Azo heverina fa zavatra roa no angatahan’i Jesoa hataontsika araka ny voalazan’io Evanjely io anio : voalohany, ampirisihiny isika mba hahay hamaky amim-pinoana ny famantarana avy amin’Andriamanitra, izay omeny tsy tapaka isan’andro. Faharoa manaraka izany, asain’i Jesoa isika mba hino Azy fa izany no tanjon’ny famantarana rehetra. Izany hoe tsy natao hanabe voho ny fahalalana akory ny famantarana fa natao hanamafy ny finoana sy maniraka hibebaka hatrany ; maniraka antsika hanakaiky Azy isan’andro vaky.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...