Alahady 10 oktobra 2021 — Alahady fahavalo amby roapolo mandavantaona — Hataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 10, 17-27

Manampy antsika hamaly ilay fanontaniana manitikitika ny fo amam-panahintsika efa hatramin’izay ny Evanjely izay vao avy novakiana tamintsika teo : Ahoana ny fomba hahazoantsika ny fiainana mandrakizay ? Inona avy ireo làlana mila harahina raha te hahazo an’izany isika ? Raha ny fiainana mandrakizay àry no katsahintsika, ahoana ny fomba hampifanarahantsika ny fikatsahana ny hahasoa ny fiainantsika amin’ny alalan’ny fitadiavana harena sy ny fanarahantsika an’i Jesoa Kristy ?

Làlana telo no atoron’i Jesoa Kristy antsika ka ny voalohany amin’izany dia ny fanatanterahana ny didin’Andriamanitra, ka ireo didy mahakasika ny fahaiza-miara-monina no antitranterina anio : "aza mangalatra, aza mamono olona, aza mijangajanga...". Ohatran’ny hoe te hilaza amintsika toy izao i Kristy : "Raha te hahazo ny fiainana mandrakizay ianao, raha te ho sambatra araka ny sitrapon’Andriamanitra ianao : mahaiza miara-monina amin’ny hafa !".

Manaraka izany, mila manaraka an’i Kristy isika ka amin’ny alalan’ny fanahafana azy no antoka hahazoantsika ny fiainana mandrakizay. Ny tsy fifikirana amin’ny haren’ny tany ary ny fampiasana ireo haren’ny tany ho fitaovana hahafahana hanampiana ny sahirana ihany koa, mba hahafahan’izy ireo hioitra eo amin’ny fiainana no endrika isehoan’izany fanahafana an’i Kristy izany.

Farany tsy afaka hahazo ny fiainana mandrakizay velively isika raha tsy manome ny fahasoavany Izy Tompo, satria io fahasoavana io indrindra no ahafahantsika hahay hiara-monina amin’ny hafa sy ho vonona hizara ny manta sy ny masaka amin’ireo olona sahirana eo akaikintsika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...