Alakamisy 16 janoary 2020 — Herinandro voalohany mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 40-45 — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny làlanao, ary tariho amin'ny làla-mahitsy aho.

0 : 00

Teo amin'ny fiaraha-monina jody, ny boka dia noheverina ho maloto, hany ka tsy afaka miara-miaina amin'ny olona. Ary mbola ratsy kokoa ny fiheverana ny habokana ho sazy avy amin'Andriamanitra. Fahoriana tsy roa aman-tany no mahazo ny boka, etsy andaniny ny vatana miharitra fangirifiriana; etsy ankilany ny fiaraha-monina manilikilika.

Nangoraka ny nahazo ity boka ity i Jesoa ka nanaiky hikasika sy hanendry azy na dia voraran'ny Lalàna aza izany. Andriamanitra ontsa sy mangoraka amin'ny manjo antsika ny Andriamanitra tompointsika. Asehon'ny fihetsika nataon'i Jesoa tamin'ity boka ity izany. Indraindray eo amin'ny fahoriana midona amintsika, heverintsika ho tsy mahatsapa izany Andriamanitra, na hoe tsy miraharaha izay mahazo antsika. Ny mifanohitra amin'izany anefa no zava-misy satria nohariany mitovy endrika aminy isika. Olombelona lavorary no nohariany, kanefa noho ny fahotana dia very izany fahamendehana izany.

Io fahotana io izay heverina ho toy ny habokana izay mahazo antsika dia ilana ny fanadiovana ny fanahintsika sy ny fiainantsika manontolo. Ny ratsy indrindra amin'ny fiainantsika ankehitriny dia ny fiheverana ny fahotana tsy ho fahotana. Isika indraindray no manamboamboatra ao amin'ny kônsiansintsika na ny eritreritsika ao manao hoe: "ity fahotana, ity tsy fahotana". Andriamanitra irery anefa no mahay manoro ao amin'ny feon'ny fieritreretantsika ny tsara tokony harahina sy ny ratsy tsy maintsy handosirana.

Koa mba hadio lalandava àry ny fiainantsika dia ilaina ny mandini-tena sy ny mibebaka amin'izay tsy mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...