Alatsinainy 26 jolay 2021 — Herinandro fahafito ambin'ny folo mandavantaona — Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 31-35

Manambara antsika ny fivoarana mahagagan’ny Fanjakan’ny lanitra ny fanoharana mahakasika an’ilay voatsinapy : kely izy eo am-piandohana fa tonga hazo lehibe kosa rehefa afaka fotoana vitsivitsy. Mananana hafatra lehibe ho antsika mpianatr’i Kristy sy mpanohy ny asany io fanoharana io : manome hery antsika hitraka sy tsy handevina sotrobe manoloana ny tsy fahitana soritra mazava avy hatrany ireo fampanantenana avy amin’ny Mesia eo amin’ny asa fitoriana. Mila resy lahatra isika fa tsy mitovy amintsika velively ny asan’Andriamanitra fa ny hakelezana sy ny halemena, zary mitondra fahombiazana sy hery satria amin’izany indrindra no iasan’ny fahasoavan’Andriamanitra.

Ankoatra izany, manasa antsika mba hametraka ny fitokisantsika tanteraka amin’Andriamanitra mahefa ny zava-drehetra, ity fanoharana ity. Mitaky ny tsy hitadiavantsika ireo karazana fanohanana amin’ny maha-olona irery ihany, izany fitokisantsika izany. Fa ny fahasoavan’Andriamanitra no hampahomby ny asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly izay ataontsika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...