Alahady 20 jona 2021 — Alahady faharoa ambin'ny folo mandavantaona — Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra ary voninahitra anie any amin’ny Avo indrindra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 4, 35-40

"Iza moa io, fa ny rivotra sy ny ranomasina avy no manaiky Azy ?" Ry kristianina havana, hitantsika amin’ity Soratra Masina ity fa i Jesoa Kristy ilay zanak’Andriamanitra dia miara-dalana amintsika isan’andro. Miara-dalana amintsika amin’ny onjam-piainana andavanandro : ny tebiteby, ny fahasahiranana, ny fahasoavana, ny fahoriana, ny hafaliana, ny aretina. Fa ity andalan-tSoratra Masina ity kosa no ahitantsika amin’ny tranga manokana dia isika eo amin’ny fahasahiranana. I Jesoa eo amin’ny fahasahiranana miseho. Izy no nitarika ireo mpianany hoe andeha isika ho eny andafin-drano. Fa indraindray na matetika dia tsy tsaroantsika fa isika anie miaraka aminy, isika anie kristianina vita batemy, relijiozy, mpisorona. Izay miaraka aminy sy miombona miaraka aminy dia izy no miaro antsika satria Izy no mpitarika. Hoy izy "andeha", noho izany Izy no miahy ny zavatra rehetra ; tahaka ireto mpianany izay niantso azy rahefa tojo ity fahatahorana noho ny onjan-drano.

Impiry isika no miantso azy rahefa tojo fahasahiranana ? Hitantsika fa na dia niaraka tamin’ireto mpianany i Jesoa dia nisy ity zava-niseho ity. Tsy ho gaga isika eo amin’ny fiainana rahefa tojo zava-mitranga manahirana antsika. Fa na iza na iza, na dia mpino mafana fo aza dia mety ho tojo olana. Ireny zava-mitranga ireny koa no manampy antsika hitodika amin’ilay itokiantsika sy inoantsika. Fa matetika isika mety ho ny mifanohitra amin’izany no ataontsika. Mpino kristianina isika, fa toy izay isika midododo manatona an’Andriamanitra, dia mandeha amin’ny fanompoan-tsampy na mandeha amin’ny mpanao fanafody.

Ireto mpianatr’i Kristy kosa dia nahatsapa sy nahita fa mamaha olana i Kristy ka nahatonga azy ireo nametra-panontaniana hoe : "Iza moa io, fa ny rivotra sy ny ranomasina avy no manaiky Azy ?" Asehon’ny Soratra Masina amintsika fa ny zava-boahary nohariany dia manaiky ny nahary azy. Mampiseho fa izy ilay Andriamanitra nahary antsika ka voafehiny izay nohariany. Izy ilay tompon’ny hery sy fahefana rehetra. Moa ary ve mino sy mbola matoky azy isika na dia eo aza ireo fitsapana maro samihafa ?

Ry Andriamanitra Andriananahary, mifona aminao izahay amin’ny tsy fianteheranay aminao manoloana ny fahasahiranana andavanandro. Koa mba henoy vavaka izahay mba hahatsapanay fa miara-dalana aminay ianao sy hinoanay fa ianao ilay Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...