Zoma 18 jona 2021 — Herinandro faharaika ambin'ny folo mandavantaona — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 19-23

Sanatria, mety hafintohina antsika ve, izay tenin'i Kristy voalaza tamintsika teo izay ? Ka ho sahintsika ny hanao hoe : "Ianao no te ho farahidiny any, koa izahay no anarinao tsy hiary harena eto an-tany". Tsy misakana antsika velively hiahy ny fiainana eto an-tany i Kristy, fa mampahatsiany antsika amin'ny alalan'ny fampianarany ny mpianany izy, mba tsy hiankin-doha be loatra amin'ny harena mandalo, fa hibanjina mandrakariva kosa ny harena maharitra any an-danitra. Raha dinihina tokoa ny harena eto an-tany, dia mora harafesina, toa halan'ny kalalao, indrindra amin'izao trangam-piainana misy antsika izao dia betsaka mihitsy ny mpangalatra : dahalo mpandroba, mpanao sinto-mahery, noho ny harena ihany. Nefa isika dia matimaty mikaroka izany, matimaty mikatsaka izay fomba mba hanana izany harena izany. Tsy ny fositra akory no tsy hambolem-baoavahy, hoy ny fomba fiteny, adidintsika ny manao ezaka hiahiana ny fiainana, indrindra ny fahavelomana, hanaovana izay hitoviana aman'olona. Nefa i Kristy kosa mampianatra antsika tsy ho jamban'ny harena eto an-tany ny masontsika, ka zary maizina ho antsika ilay fahazavana aposany.

Marina fa ilaina ny harena, nefa mety mamitaka ireny. Ilaina izy handrindranao ny fiainanao. Ilaina izy hamitanao ny adidy manandrify anao. Nefa hoy ny mpanakanto hoe : "Io volabenao io tsy hitondra anao any amin'ny mausolée". Koa mila fandanjalanjana ihany izany fitiavana ny harena eto an-tany izany. Tsy sanatria hoe ho kamo velona ka hanao ariary zato am-pandriana, na handika vilana ny fampianaran'i Kristy, fa mba hahay hametraka ny harena, ho fitaovana ihany. Ny faniriana tsy maintsy misy ao anatintsika, nefa aza maniry ny an'ny hafa kosa, fa izay fomba mifanaraka amin'ny hevitr'i Kristy no tanteraho sy karohy, ary ataovy amin'ny toerana tokony hisy azy. Izay itoeran'ny harenareo, hoy i Kristy, no itoeran'ny fonareo ihany koa.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...