Alakamisy 10 jona 2021 — Herinandro fahafolo mandavantaona — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 20-26

Ry kristianina Havana ! Mitohy tokoa àry ny famoaboasan’i Jesoa amintsika ny Làlana ahafahantsika manana fitondran-tena mendrika mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Izany no midika fa manatanteraka ny Lalàna amin’ny fanehoana fitiavana i Jesoa. Ampahan’ny fampianarana hafa ity omeny antsika androany ity. Efa fandrehantsika matetika io fa tsy hiainantsika mazàna. Misy zavatra efatra ampitainy amintsika entina miaina ao anatin’ity Evanjely aroson’i Matio ho antsika ity :

Voalohany dia lazainy tsara hoe aoka ho lehibe noho ny an’ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna ny fahamarinanareo. Fantatr’i Jesoa tsara ny toerana misy ireo sarangan’olona teneniny ireo fa ankoatra ny maha sokajin’olona ambony saranga azy dia nandalina ny Soratra Masina ireo ary nianatra ny lalàna. Manaja ny fivavahana sy ny finoan-drazany ireo. Ny mpianany anefa dia sokajin’olona madinika, mahantra. Hatraiza ny mety ho fijoroana ho vavolombelona sy fanehoam-piainana tohanan’ny fampianarana ataon’ireto farany vao haharesy lahatra azy ireo fa i Jesoa aza sahirana. Miantso ireo mpianany izany, ary miantso antsika koa handalina ny Soratra Masina sy ny fahendrena ahaizantsika mijoro ho vavolombelona satria raha tsy mihoatra noho ny an’izao tontolo izao ny fahendrena ananantsika dia ho rendrika ao amin’izao tontolo izao isika. Izy indray no ho lasa alohantsika dia tanteraka ilay tenin’i Jesoa hoe “ny poblikanina sy ny vehivavy janga no mialoha anareo any amin’ny paradisa”.

Faharoa ny voalazan’ny lalàna taloha hoe aza mamono olona. Ohatra tsara ary fampitandremana tsara ho antsika ny lalàna taloha, mandrara antsika tsy hanao tsinontsinona ny aina. Ankehitriny anefa dia toa miverin-dalana mihitsy ny fiainan’ny olona. Ny lalàna taloha izay efa tsara sy nahasoa ireo zoky razantsika taloha mihitsy no dikaina izao. Tsy misy dikany ny mamono olona. Ny fampianaran’i Jesoa anefa dia mitaona antsika hiroso lalindalina kokoa hahatsapa fa tsy izay mandatsaka aina ihany no atao hoe mamono fa maro no mety famonoana olona ankolaka ataontsika. Maninona isika no mialona olona, manenjika sy mankahala azy... Aoka isika handini-tena amin’izany.

Fahatelo dia mahakasika ilay hoe fanatitra atolotra tsy ambony noho ny famitranam-pihavanana sy ny fitiavana. Tsy marina manko ny filazana fa tia an’Andriamanitra raha tsy tia namana ary izay milaza fa tia an’Andriamanitra dia tokony ho tia ny olona rehetra aloha. Aoka tsy hihatsaravelatsihy isika manoloana izany fa mbola be dia be ny miaina toy izany, milaza fa tia sy matahotra an’Andriamanitra anefa misy olona tsy tiana sy ankahalaina.

Fahefatra dia ny ezaka takian’i Jesoa amintsika hihoatra izay mety ho ambom-pontsika sy izay mety ho avonavona tafahoatra indraindray fa mila manetry tena ary mila mandefitra mba hisian’ny fihavanana sy ny fifankatiavana ary izany dia tsy miandry fotoana na hanjehena andro ho lava fa atao haingana mba tsy hahalatsaka antsika an-tranomaizina dia ny fahaverezan’ny fanahintsika.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...