Alakamisy 27 mey 2021 — Herinandro fahavalo mandavantaona — Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo, izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 10, 46-52

Isan’ny mahazatra antsika, rehefa mivavaka, ny mangataka fahasoavana amin’Andriamanitra. Inona tokoa moa izay herin’ny tenantsika olombelona raha tsy eo ny fanampian’Andriamanitra ? Isan’andro dia mandalo eo amin’ny fiainantsika i Jesoa, fa moa mahatsikaritra izany isika ary mba miantso Azy tahaka an’i Bartime jamba ?

Nahatsapa ny tsy fahatomombanany i Bartime, ka nangataka tamin’i Jesoa : "Ry Jesoa Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko". Sarobidy ny famindrampon’Andriamanitra, fa manome antsika endrika vaovao lavitry ny fahotana isan-karazany. Mety hisy anefa sakana tsy hamela antsika handray izany famindrampon’Andriamanitra izany. Toy izay nahazo an’i Bartime, dia nisy ireo nandrahona azy tsy hiantso ny anaran’i Jesoa, izay toa midika hoe tsy mahafaly ireto olona ireto ny hanafahan’i Jesoa an’i Bartime amin’ny geja mahazo azy. Moa tsy zava-misy amin’ny fiainantsika koa ve izany, rehefa mba misy olona mila vonjy amintsika ? Maro amintsika no toa sahirana amin’ny tenantsika fotsiny fa tsy mahatsapa akory ny fahasahiranan’ny hafa.

Tsy ny rehetra anefa no manana izany halozana sy fahalainana hanampy ny hafa izany. Fa misy indrindra koa ireo vonona hanampy, tahaka ireto olona sasany niteny tamin’i Bartime, rehefa nasain’i Jesoa nampiantsoina izy: "Matokia ! Mitsangana, fa antsoiny ianao". Nanomboka teto dia nahazo toky i Bartime ka nariany ny lambany ary niezaka nanatona an’i Jesoa izy. Rehefa mahatsapa fa antsoin’i Jesoa isika, dia vonona hanary ny fomba fiainana sy fihetsika taloha, izay tsy mifanaraka amin’ny maha kristianina antsika, ary handray ilay fiainam-baovao ao amin’i Kristy. Marina fa fantatr’i Jesoa izay tadiavin’i Bartime aminy, dia ny fahasitranana. Fa tiany kosa ny hilazan’ity mitady azy izay endri-piainana vaovao iriny izay. "Inona no tianao hataoko aminao ?", hoy Izy tamin’i Bartime. "Aoka mba hahiratra aho, hoy i Bartime". Valin-teny manan-danja ho an’i Jesoa satria koa nilazany fa noho ny finoany no nahavonjy an’ity Bartime jamba ity.

Ny fahatokisana an’i Jesoa ho Mpamonjy no manafaka antsika amin’ny hajambana amin’ny endriny maro. Jamba ny masom-panahintsika rehefa tsy mahita sy tsy mikatsaka ny soa ho an’ny madinika sy ireo tsy misy mpiahy ; rehefa manao kely tsy mba mamindro ka mampiasa ny hery sy fahefana maha olombelona hamoretana ny mahantra sy ny sahirana, ny mpitrongy vao homana. Koa meteza isika hiantsoantso an’i Jesoa tahaka an’i Bartime, mba hanome antsika ny fahiratam-panahy hahamendrika ny maha zanak’Andriamanitra marina antsika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...