Alarobia 19 mey 2021 — Cher Frère Raphaël-Louis Rafiringa, Olontsambatra — Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 25-30

Mifampiarahaba isika mianakavy amin’izao fetin’i Frera Raphaël-Louis Rafiringa, Relijiozy Malagasy voalohany olontsambatra izao. Misaotra an’Andriamanitra toy ny nanombohan’i Jesoa ny Evanjely teo, manana izany olontsambatra Malagasy toa antsika izany, modely amin’ny fikatsahana ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany. Aoka hameno ny androm-piainantsika ny fisaorana Azy fa izany no tokony ho eo imolotry ny mpino matetika, na amin’ny mora na amin’ny sarotra, na amin’ny mahafaly na amin’ny mampalahelo, na amin’ny mangidy na mamy. Ny mangataka mantsy no tena mahamaika antsika, toy ny ataon’ny saka na voky na noana, ka somary hadinodino io fisaorana io. Tadidio fa ny Eokaristia na ny Lamesa no fisaorana fara-tampony indrindra. Satria manolotra ny fisaorana amin’Andriamanitra Ray mihitsy Izy Kristy amin’izany.

Manambara indrindra ny tsiambaratelon’ny Fanjakan’ny lanitra nafenina tamin’ny hendry sy be saina ny tohin’ny Evanjely teo fa naboraka kosa tamin’ny tso-po, isan’izany i Frera Raphaël-Louis. Fa inona tokoa moa izany hendry sy be saina izany eto amin’ity ampahan’Evanjely ity. Manoro antsika ny valiny i Masindahy Paoly : "Satria voasoratra hoe : Hofoanako ny fahendren’ny hendry ; ary holaviko ny fahaizan’ny mahay… Tsy nahariharin’Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren’izao tontolo izao ? Fa noho ny fahendren’Andriamanitra, dia tsy nahalala an’Andriamanitra ny fahendren’izao tontolo izao" (1 Kor 1, 19-21 ; Iz 29, 14 ; Sal 33, 10) Koa ny Mpanora-dalàna sy ny Farisianina no tiana hambara raha tamin’izany fotoana izany. Fa lazaina ho tso-po kosa ireny madinika ireny, ireo ahiliky ny fiaraha-monina ; fa tamin’ny fotoan’andro dia ny poblikanina sy ny mpanota. Diniho anie fa tsy niantso ho Apôstôly tamin’ny Mpanora-dalàna na Farisianina i Jesoa fa mpanarato sy Poblikanina. Inona no antony ? Izay no safidiny ka izay tiany ihany io. Koa meteza isika ho tso-po, ho madinika raha te hahazo ny fanjakan’Andriamanitra. Tsy midika akory izany ho manome vahana ny mpanota satria tsy ny mpanota no tsy tiany fa ny fahotana no halany. Halaviro na esory ny ho be sainan’ny avonavona, ny rehaka amin’ny fahendren’izao tontolo izao fa tsy mitondra mankaiza akory, fahavoazana aza no vokany. Izay miseho ho be saina mantsy tsy hahita an’Andriamanitra ary ny saina fotsiny tsy hahalala Azy velively fa izay manetry tena ihany. Koa aleo manetry tena fa izay milefitra ihany no mandina, izay potraka no mahay miarina, i Kristy nofantsihana sy nalevina no nitsangan-ko velona, Ilay nidina tany ambanin’ny tany no niakatra any an-danitra.

Ny tapany farany amin’ny Evanjely teo dia efa haintsika tsianjery mihitsy: "Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy vesaram-pijaliana, fa hanamaivana anareo Aho. Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho, dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo ; fa mora entina ny jiogako, ary maivana ny hazofijaliako." Koa ankoatra ny fijaliana amam-pahoriana manjo ny tsirairay, ny iombonan’ny rehetra dia ity valan’aretina miha-mihanaka be ity, tsy mbola resy ankehitriny. Tsy hoe manentsi-tadiny amintsika Andriamanitra, fa isika aloha no mila miova sy mibebaka tokoa. Fa fitsapana navelany hihatra amintsika izao mba hahafahantsika miombona anjara amin’ny fijalian’i Jesoa ihany koa. Tsy hizaka irery izany fahoriana izany fa hiombona aminy. Ento eo anatrehany, aza mora kivy na mihataka aminy fa vao mainka aza hamafiso izany mba handresy toa Azy. Ny vavaka ataon’i Frera Raphaël-Louis, olontsambatra anie hanampy antsika handresy izao valan’aretina mahatsiravina izao. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...