Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny nanao hoe: "Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nanafina ny hevitrao tamin’ny hendry sy ny be saina Ianao, ary nanambara azy tamin’ny tso-po kosa. Eny, misaotra Anao aho, Raiko, fa izany no sitra-ponao. Efa nomen’ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy. Mankanesa aty amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy vesaram-pijaliana, fa hanamaivana anareo Aho. Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho, dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo, fa mora entina ny jiogako, ary maivana ny didiko".

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...